airtel

Sosialy

09-août-2021

Sosialy

Vidin-tsaribao Tsy nahazo intsony 100 Ar, lasa 500 Ar ny famarana

Sample post image

Tsy mitsahatra ny miakatra ny vidim-piainana eto amintsika. Ankoatra ireo kojakoja ilaina amin’ny fiainana andavanandro toy ny menaka….

09-août-2021

izay efa tena mampiteny irery ny isan-tokantrano tokoa dia anisan’ny nahitana fisondrotany izaitsizy ihany koa ny harina fandrehitra tato ho ato. Ny 80%-n’ny tokantrano Malagasy anefa no mampiasa azy io, indrindra fa ny eto an-drenivohitra. Lasa tsy mahazo iray famarana intsony ohatra ny 100 Ar fa 500 Ar vao mahazo eny amin’ny mpivarotra saribao maro, na dia misy ihany aza ireo mbola mamindra fo. Tsy mahamasaka vary soa kely akory anefa izany dia lany ka mila hahatratra ho 3.000 Ar isan’andro ny saribao vidian’ny tokantrano iray vao ampy. Raha tsiahivina moa dia vokatry ny fidangan’ny hetra sy ny haba alain’ny ministera amin’ireo mpamokatra saribao no antony mampidangana ny vidin’ity akora fandrahoan-tsakafo ity.Manampy trotraka izany ny fanararaotana hataon’ireo mpijirika.Ampy tsara anefa ny filana anatiny ary ny vidiny any amin’ireo mpamatsy saribao any am-potony tsy miakatra.
Pati
 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Azo lazaina ho hazo fijaliana ho an’Antananarivo mihitsy ankehitriny ity tohamboivoy tsy mety ahitam-bahaolana ity.

Card image cap
26-avril-2024

Lasa atahoranabe ireo vary mitoby na vao tonga any amin’ny seranan-tsambo eto amintsika amin’izao.

Card image cap
25-avril-2024

Raikitra indray ny hetsika fanairana teny Ankatso II omaly noho ny krizin-drano mahazo ireo mpianatra monina eny an-toerana.

Card image cap
25-avril-2024

Mbola eto Madagasikara manatanteraka ny asany ny Talem-paritry ny UNICEF aty amin’ny faritr’i Afrika Atsinanana

Card image cap
25-avril-2024

Efa tena nandefitra ny mponina tety, hoy ny renim-pianakaviana iray eny Amboditsiry,

Card image cap