airtel

Sosialy

15-juil-2022

Sosialy

Vokatra Mucuna 10 taonina isaky ny hektara no azo ao Ankazomiriotra

Sample post image

Zavamaniry fanao sakafo mbola tsy dia be mpahalala loatra ny Mucuna. Miendrika voamaina toy ny tsaramaso izy io ary misy karazany sy loko maro.

15-juil-2022

Isan'ny fantatra ho tena mpamokatra azy io ny ao Ankazomiriotra sy ny manodidina azy io. Araka ny fampitam-baovaona mpamokatra iray avy any an-toerana dia mahatratra hatrany amin'ny 10 taonina isaky ny hektara isan-taona ny vokatra azo ao Ankazomiriotra. Misy ny manao azy ho laoka amin'ny vary. Misy ny manao azy ho fanampin-tsakafo, raha ny fanazavana voaray hatrany. Mila fitandremana ny fihinanana azy ity anefa satria dia mitondra otrikaina antsoina hoe "dopamine" izy io ka raha sanatria tafahoatra ny fetrany dia mety hampidi-doza ho an'ny fahasalamana. Ny firenena indianina sy ny aty amin'ny kaontinanta afrikanina aty moa no tena mpamokatra ny Mucuna, raha ny fampitam-baovao sy fanadihadiana natao hatrany.
J. Mirija
Légende: Toy izao no santionany amin'ny karazana Mucuna.
 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Azo lazaina ho hazo fijaliana ho an’Antananarivo mihitsy ankehitriny ity tohamboivoy tsy mety ahitam-bahaolana ity.

Card image cap
26-avril-2024

Lasa atahoranabe ireo vary mitoby na vao tonga any amin’ny seranan-tsambo eto amintsika amin’izao.

Card image cap
25-avril-2024

Raikitra indray ny hetsika fanairana teny Ankatso II omaly noho ny krizin-drano mahazo ireo mpianatra monina eny an-toerana.

Card image cap
25-avril-2024

Mbola eto Madagasikara manatanteraka ny asany ny Talem-paritry ny UNICEF aty amin’ny faritr’i Afrika Atsinanana

Card image cap
25-avril-2024

Efa tena nandefitra ny mponina tety, hoy ny renim-pianakaviana iray eny Amboditsiry,

Card image cap