airtel

Sosialy

22-nov-2021

Sosialy

Vondrona fifankatiavana parlemantera Hitsinjo ireo ankizy afaka baka zanaky ny sahirana

Sample post image

Hitsinjo ireo ankizy afaka baka zanaky ny sahirana eto amintsika ireo tera-tany Sinoa. Nanolotra vatsim-pianarana mitentina 50 tapitrisa Ar

22-nov-2021

 ho an’ny zaza Malagasy izy ireo ny faran’ny herinandro teo ka amin’ny alalan’ny solom-bavambahoaka tsirairay avy no hifantenana ireo ankizy sahirana nefa mahay saingy tsy manana fahefana hanohy fianarana intsony. Isaky ny distrika no hanaovana izany fisafidianana ireo ankizy izany ka fiantohana ny fianaran’ireo ankizy, hatramin’ny fahazoany ny mari-pahaizana “licence” no hositrahany mandritra izany. Mpandraharaha sinoa monina eto Madagasikara ireto manampy ny zaza Malagasy ireo miara-miasa amin’ny Vondrona Fifankatiavana Parlemantera. Notontosaina ny faran’ny herinandro teo teny Ivato ny fanamafisana ny fifandraisana eo amin’ny firenena roa tonta dia ny firenena sinoa sy ny firenena Malagasy izany amin’ny alalan’ny antenimieram-pirenena. Notoloran’ireo teratany Sinoa aponga miisa 500 isa ihany koa ireo solombavambahoaka, izay tafiditra ao anatin’ny fampivoarana ny kolontsaina hiarahan’ny roa tonta mifampizara sy mifanolotra.
Nangonin’i Pati
Legende : Ankoatra ilay vatsim-pianarana dia nahazo aponga ihany koa ny Antenimieram-pirenena
 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Azo lazaina ho hazo fijaliana ho an’Antananarivo mihitsy ankehitriny ity tohamboivoy tsy mety ahitam-bahaolana ity.

Card image cap
26-avril-2024

Lasa atahoranabe ireo vary mitoby na vao tonga any amin’ny seranan-tsambo eto amintsika amin’izao.

Card image cap
25-avril-2024

Raikitra indray ny hetsika fanairana teny Ankatso II omaly noho ny krizin-drano mahazo ireo mpianatra monina eny an-toerana.

Card image cap
25-avril-2024

Mbola eto Madagasikara manatanteraka ny asany ny Talem-paritry ny UNICEF aty amin’ny faritr’i Afrika Atsinanana

Card image cap
25-avril-2024

Efa tena nandefitra ny mponina tety, hoy ny renim-pianakaviana iray eny Amboditsiry,

Card image cap