airtel

Sosialy

06-déc-2021

Sosialy

Vontovorona Nanao fanadiovana faobe ny teny amin’ny Polyteknika

Sample post image

Betsaka ireo zava-manahirana ireo mpianatra manovo fahalalana eny amin’ny politeky Vontovorona amin’izao. Ankoatra ny tsy fisian’ny rano,

06-déc-2021

 ny fahalotoan’ny trano fivoahana dia mbola olana ihany koa ny toerana hanatobiana ny fako avy amin’ny tranon’ny mpianatra tsirairay avy antony nanamarihana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny mpilatsaka an-tsitrapo teny an-toerana afak’omaly sabotsy. Nitarika izany teny an-toerana ny Minisitry ny kolontsaina sy ny Serasera Andriantongarivo Lalatiana, notronin’ny Ben’ny tanànan’Alakamisy Fenoarivo Rakotobe Christian. Taorian’ny diabe niarahana tamin’ireo mpianatra dia nifanome tanana tamin’ny fanadiovana ankapobeny, fanalana ireo lobolobo manodidina amin’ny tranon’ny mpianatra, fa indrindra fanamboarana toerana fanariam-pako no nentina nanamarihana ny hetsika. Tsiahivina moa fa anisan’ny mbola olana sedrain’ireo mpianatra eny amin’ny politeky Vontovorona ihany koa ny fahateren’ny efitrano fianarana koa hanaovan’izy ireo antso avo amin’ny tompon’andraikitra.
Pati
Legende : Nandritra ny asa fanadiovana notanterahina tamin’ny Sabotsy teo
 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Azo lazaina ho hazo fijaliana ho an’Antananarivo mihitsy ankehitriny ity tohamboivoy tsy mety ahitam-bahaolana ity.

Card image cap
26-avril-2024

Lasa atahoranabe ireo vary mitoby na vao tonga any amin’ny seranan-tsambo eto amintsika amin’izao.

Card image cap
25-avril-2024

Raikitra indray ny hetsika fanairana teny Ankatso II omaly noho ny krizin-drano mahazo ireo mpianatra monina eny an-toerana.

Card image cap
25-avril-2024

Mbola eto Madagasikara manatanteraka ny asany ny Talem-paritry ny UNICEF aty amin’ny faritr’i Afrika Atsinanana

Card image cap
25-avril-2024

Efa tena nandefitra ny mponina tety, hoy ny renim-pianakaviana iray eny Amboditsiry,

Card image cap