airtel

Sosialy

01-déc-2021

Sosialy

Zaimaika Analakely Madio sy mamiratra aloha hatreto

Sample post image

Tena madio ny fivarotana. Ireo mpivarotra manana ny ankanjo manokana sady mitovy daholo. Madio tsara ny toerana ary tsy ahitana fako sy vary masaka milatsadatsaka mihitsy eny amin'ny tany na potiny kely aza.

01-déc-2021

 Izany ka hoe manara-penitra. Izay amin’ny ankapobeny ny fanamarihan’ireo efa avy nanjifa tao amin’ny Zaimaika Analakely, taorian’ny fanarenana ity toeram-pisakafoanana malaza izay nihotsaka rehefa ela nietezana ity. Madio sy mamiratra, araka izany, hatreto ny toerana na atiny izany na ivelany. Toy ny ahiahin’ny olompirenena Malagasy hatramin’izay manoloana ny fisiana zava-baovao izay efa fahita eto Antananarivo ihany koa anefa ny ahiahy apetrak’ireo mpanaraka ny zava-misy. Sao dia ho aty am-boalohany ihany no hadio sy hamiratra tahaka izao fa rehefa mandeha eo ny fotoana dia hiha goragora indray ny fikolokoloana sy fikojakojana izany? Isan’ny tsikaritra ho tsy mirindra rahateo hatreto ny hafanana ao anatin’ny toerana. Tsy nisy fijerena na “etude” mikasika izany mialoha ve, hoy ny fanontaniana mipetraka? Hirariana mba ho any amin’ny tsara kokoa na izany aza ny fivoaran’ny toerana fa tsy sanatria hamerina ny loto efa nisy indray. Na ilay endriky ny toerana izay toa nanadino ny endrika tena nahalalana izany Zaimaika izany moa efa manokatra adihevitra hafa rahateo.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Azo lazaina ho hazo fijaliana ho an’Antananarivo mihitsy ankehitriny ity tohamboivoy tsy mety ahitam-bahaolana ity.

Card image cap
26-avril-2024

Lasa atahoranabe ireo vary mitoby na vao tonga any amin’ny seranan-tsambo eto amintsika amin’izao.

Card image cap
25-avril-2024

Raikitra indray ny hetsika fanairana teny Ankatso II omaly noho ny krizin-drano mahazo ireo mpianatra monina eny an-toerana.

Card image cap
25-avril-2024

Mbola eto Madagasikara manatanteraka ny asany ny Talem-paritry ny UNICEF aty amin’ny faritr’i Afrika Atsinanana

Card image cap
25-avril-2024

Efa tena nandefitra ny mponina tety, hoy ny renim-pianakaviana iray eny Amboditsiry,

Card image cap