Fanamby napetraka amin’izao fankalazana izao, ny haha-taom-pandresena eo amin’ny sehatry ny asa sy ny famokarana. Tamin’ny alalan’ny « Team Building » lehibe notanterahina teny amin’ny Le Domaine du Grand Soavina, no nisantarana sy nanokafana ny fankalazana ny faha-20 taona ny faran’ny herinandro lasa teo.
Fotoana izay nanehoana firaisan-kina eo amin’ny samy mpiara-miasa eo anivon’ny Vondrona, hanehoana ny fahavonana amin’izay fanamby napetraka izay. Tafiditra tao anatin’izay koa ny fanindriana sy fanipihana manokana ireo Hasina 5 mampiavaka ity vondron’orinasa ity dia ny Fifanajana, ny Fankatoavana sy firaisam-po, ny Fifampitokisana, ny Fahafahafam-pon’ny mpanjifa ary ny Fitakiana ny kalitao na ilay atao hoe Sarotiny amin’ny fahombiazana.
Hetsika ara-panatanjahantena lehibe teo amin’ireo mpiara-miasa notarihan’ny ekipa matihanina avy ao amin’ny Le Domaine du Grand Soavina no notanterahina ny sabotsy teo, ho fanehoana ny fahavononan’ny rehetra hanaja sy hanatanteraka ireo vina lehibe ireo. Anisan’ireo rantsana ao anatin’ny vondron’orinasa Vidy Varotra moa ny gazety Jejoo, Tia Tanindrazana, Job, Vidy Varotra, sy ny onjam-peon’ny Top Radio 102.8 Fm.
Vidy Varotra
Ny injeniera malagasy, Mamitina Rolando Randriamanarivo no nahazo ny loka tamin’ny
Anisan'ireo mpandray anjara ao amin'ny foara iraisam-pirenena eto Madagasikara
Mety hisy ranon’orana anio Zoma 23 May raha araka ny vinavinan’ny Sampana
Zazalahy kely dongadonga no sady salama tsara vao 5 volana monja no fantatra fa