na FIM ny COMPAGNIE MASOANDRO. Ity Orinasa iray ity moa dia misehatra amin'ny tontolon' ny fitaterana na anatiny na ivelany ary anisan' ny tolotra omen' izy ireo amin' izany ny fanamorana ny fivezivezena amina sehatra maro eto Madagasikara sy ny any ivelany. Ao amin'ny stand laharana faha-331 no misy azy ireo mandritra ny FIM . Raha tsiahivina moa dia nanomboka ny alakamisy 22 Mey io hetsika iray io ary hifarana ny 25 Mey ho avy izao ary eny CCI Ivato. Hetsika atao isan-taona ny FIM, tsotra ny tanjon' ny mpikarakara dia ny hanomezana sehatra sy lanja, hikarohana lalam-barotra ihany koa ireo orinasa lehibe eto Madagasikara ary hampisehoana izany eo imasoan' izao tontolo izao satria maro ireo olona solontena avy amin' ny firenena hafa tonga eto manatrika izy io.
RTT
Tsy mampandeha amin’ny laoniny ny fanavaozana ny tsy fandriampahalemana»