airtel

Actualités

23-mai-2025

Challenge App Afrique 2025

Norombahin'i Mamitina Rolando Randriamanarivo

Sample post image

Ny injeniera malagasy, Mamitina Rolando Randriamanarivo no nahazo ny loka tamin’ny

23-mai-2025

Challenge App Afrique" andiany 2025, fifaninanana natokana ho an’ireo start-up mamorona zava-baovao, nokarakarain’ny RFI sy France 24. Lohahevitra tamin’ity taona ity ny mikasika ny olana momba ny rano. Nahavita nandresy lahatra ny mpitsara tamin’ny "Challenge App Afrique" i Mamitina Rolando Randriamanarivo noho ny tetikasanany antsoina hoe "Inomawa". Rindrambaiko natao hanome fidiram-bola maharitra ho an’ireo mpiasa marefo, sady hanamora ny fahazoana rano fisotro madio sy ara-pahasalamana amin’ireo faritra tsy ahazoana izany, na ambanivohitra na amin'ny tanàn-dehibe izy io. Ny "Inomawa" dia sehatra dizitaly mampifandray ireo mpiasa mahaleo tena, toy ny mpitatitra rano, mpandavaka lavadrano, mpanamboatra fantsona ary mpanadio tatatra, amin’ireo mponina ao amin’ny faritra iray, amin’ny alalan’ny tranonkala sy rafitra fifandraisana amin’ny SMS, hoy ny fanampim-panazavana. Ny mpitsara tamin’ity andiany 2025 ity, Malek Semar, mpampianatra iraisam-pirenena amin’ny olana mifandraika amin’ny rano, mpandraharaha amin’ny indostria, ary mpanorina ny fikambanana No Water No Us moa dia manasongadina ny soatoavina sosialy amin’ity tetikasa Inomawa ity: "Tiako ny lafiny ara-tsosialy amin’ny tetikasany. Misy tena filàna amin’izy ireny ho an’ireo mpiasa madinika izay hita any amin’ny firenena maro.", hoy izy. "Nankasitrahako ny lafiny ara-tsosialy amin'ny tetikasa satria azo ampiharina amin’ny sehatra maro,"hoy kosa i Anne Cécile Bras, mpanao gazety momba ny tontolo iainana ao amin’ny RFI. "Efa misy krizy amin’ny rano fisotro madio eto Madagasikara nanomboka tamin’ny taon-dasa. Te ho vahaolana vonjimaika amin’ny olana iainan’ny olona isan’andro izahay," hoy ny fanambaran’i Mamitina Rolando Randriamanarivo. Nahazo fanampiana tohana 15.000 euros noho izany ity mpandresy ity, izay natao hanohanana sy hampivelatra ny tetikasany. Tena manome fanantenana ho an’ny olana ara-rano amin’ny faritra sahirana! Tetikasa mifandraika amin'ny filàna sy olana fototr'i Madagasikara.
Toky R
 

Dans la même rubrique

25-juin-2025

Niakatra Fitsarana omaly ny raharaha iray anenjehana an’i Fernand Cello,

Card image cap
25-juin-2025

Nifarana omaly tetsy amin’ny Novotel Alarobia ny atrikasa nandinihan’ny teo anivon’ireo

Card image cap
25-juin-2025

Triatra ny fo, hoy ny renim-pianakaviana iray, mahita ireto mpiray tanindrazana mifandimby

Card image cap
25-juin-2025

Niamboho omaly ny Me Lala Ratsirahonana, Mediatioran’ny Repoblika. Mpisolovava,

Card image cap
25-juin-2025

Mafy ny mahazo ireo mpivarotra arendrina vita Malagasy.

Card image cap
25-juin-2025

Ny tsy fananan'asa no anisan'ny fototra miteraka ny tsy fandriampahalemana eto amintsika.

Card image cap