airtel

Actualités

23-mai-2025

Challenge App Afrique 2025

Norombahin'i Mamitina Rolando Randriamanarivo

Sample post image

Ny injeniera malagasy, Mamitina Rolando Randriamanarivo no nahazo ny loka tamin’ny

23-mai-2025

Challenge App Afrique" andiany 2025, fifaninanana natokana ho an’ireo start-up mamorona zava-baovao, nokarakarain’ny RFI sy France 24. Lohahevitra tamin’ity taona ity ny mikasika ny olana momba ny rano. Nahavita nandresy lahatra ny mpitsara tamin’ny "Challenge App Afrique" i Mamitina Rolando Randriamanarivo noho ny tetikasanany antsoina hoe "Inomawa". Rindrambaiko natao hanome fidiram-bola maharitra ho an’ireo mpiasa marefo, sady hanamora ny fahazoana rano fisotro madio sy ara-pahasalamana amin’ireo faritra tsy ahazoana izany, na ambanivohitra na amin'ny tanàn-dehibe izy io. Ny "Inomawa" dia sehatra dizitaly mampifandray ireo mpiasa mahaleo tena, toy ny mpitatitra rano, mpandavaka lavadrano, mpanamboatra fantsona ary mpanadio tatatra, amin’ireo mponina ao amin’ny faritra iray, amin’ny alalan’ny tranonkala sy rafitra fifandraisana amin’ny SMS, hoy ny fanampim-panazavana. Ny mpitsara tamin’ity andiany 2025 ity, Malek Semar, mpampianatra iraisam-pirenena amin’ny olana mifandraika amin’ny rano, mpandraharaha amin’ny indostria, ary mpanorina ny fikambanana No Water No Us moa dia manasongadina ny soatoavina sosialy amin’ity tetikasa Inomawa ity: "Tiako ny lafiny ara-tsosialy amin’ny tetikasany. Misy tena filàna amin’izy ireny ho an’ireo mpiasa madinika izay hita any amin’ny firenena maro.", hoy izy. "Nankasitrahako ny lafiny ara-tsosialy amin'ny tetikasa satria azo ampiharina amin’ny sehatra maro,"hoy kosa i Anne Cécile Bras, mpanao gazety momba ny tontolo iainana ao amin’ny RFI. "Efa misy krizy amin’ny rano fisotro madio eto Madagasikara nanomboka tamin’ny taon-dasa. Te ho vahaolana vonjimaika amin’ny olana iainan’ny olona isan’andro izahay," hoy ny fanambaran’i Mamitina Rolando Randriamanarivo. Nahazo fanampiana tohana 15.000 euros noho izany ity mpandresy ity, izay natao hanohanana sy hampivelatra ny tetikasany. Tena manome fanantenana ho an’ny olana ara-rano amin’ny faritra sahirana! Tetikasa mifandraika amin'ny filàna sy olana fototr'i Madagasikara.
Toky R
 

Dans la même rubrique

22-mai-2026

Tsy anaty kitapombolam-panjakana ny fitakiana, tsy zo iny fa « prime » !»

Card image cap
22-mai-2026

Tsy tokony ho be kolikoly sy hamoritra vahoaka ny manamboninahitra »

Card image cap
22-mai-2026

hoy ny Filohan'ny Synad

Card image cap
22-mai-2026

ireo hisakafo ao amin’ny PHO Resto

Card image cap
22-mai-2026

Mirongatra ny halatra tany tsy

Card image cap
21-mai-2026

aza ny fitondràna!»

Card image cap