airtel

Actualités

23-mai-2025

ZAZA 5 VOLANA NARIANA TENY AMPASIKA

Saika nalatsaky ny reniny tao amin’ny ranon’Ikopa

Sample post image

Zazalahy kely dongadonga no sady salama tsara vao 5 volana monja no fantatra fa

23-mai-2025

narian-dReniny teny Ampasika afak’omaly Alarobia 21 May folakandro. Vehivavy iray monina eo amin’ny manodidina no tonga teny amin’ny rond-point Ampasika nilaza tamin’ny Polisim-pirenena miasa eo, fa misy narian-dReniny teo amoron’ny renirano Ikopa. Nirotsaka an-tsehatra avy harany nijery ny zava-misy ny Polisy avy amin’ny Compagnie Urbaine d’Intervention Tsaralalàna. Nambaran’ny olona mbola nitangorona teo moa fa nahita vehivavy hafa nikasa handatsaka io zaza io tao anaty rano izy ireo. Rehefa nosakananan’ireo nanatri-maso anefa dia lasa nandositra avy hatrany ilay renim-pianakaviana. Noraisin’ny Polisim-pirenena ilay zaza ary naterina tao amin’ny sampandraharahan’ny Polisy misahana ny fiarovanana ny zaza sy ny Olona marefo ary miady amin’ny heloka mamoafady, ao Anosy (SCPMPM). Misokatra araka izany ny fanadihadiana hitadiavana ilay vehivavy, izay nikasa hanao heloka bevava tamin’io zaza io.
Pati
Legende : Ity ilay zaza tsy manan-tsiny !
 

Dans la même rubrique

13-juin-2025

Nanokatra ny fampiratiana ara-pizahatany ITM (Iternational Tourism Fair) andiany faha-11 ny filoha ankehitriny Andry Rajoelina omaly.

Card image cap
13-juin-2025

Anisan’ny navoitran’ny Praiminisitra Ntsay Christian omaly teny amin’ny Antenimierampirenena ny hoe :

Card image cap
13-juin-2025

Renim-pianakaviana iray monina eny Fenoarivo Atsimondrano eny no fantatra

Card image cap
12-juin-2025

Na ny ao amin’ny JIRAMA aza izao izany dia milaza fa hatramin’ny faran’ny taona

Card image cap
12-juin-2025

Manamafy avo roa heny ny fahamailoana ny SAMIFIN izay sampan-draharaha misahana

Card image cap
12-juin-2025

Lany teny anivon'ny Antenimieram-pirenena ny tolo-dalàna miaro manokana ireo varira

Card image cap