airtel

Actualités

23-mai-2025

ZAZA 5 VOLANA NARIANA TENY AMPASIKA

Saika nalatsaky ny reniny tao amin’ny ranon’Ikopa

Sample post image

Zazalahy kely dongadonga no sady salama tsara vao 5 volana monja no fantatra fa

23-mai-2025

narian-dReniny teny Ampasika afak’omaly Alarobia 21 May folakandro. Vehivavy iray monina eo amin’ny manodidina no tonga teny amin’ny rond-point Ampasika nilaza tamin’ny Polisim-pirenena miasa eo, fa misy narian-dReniny teo amoron’ny renirano Ikopa. Nirotsaka an-tsehatra avy harany nijery ny zava-misy ny Polisy avy amin’ny Compagnie Urbaine d’Intervention Tsaralalàna. Nambaran’ny olona mbola nitangorona teo moa fa nahita vehivavy hafa nikasa handatsaka io zaza io tao anaty rano izy ireo. Rehefa nosakananan’ireo nanatri-maso anefa dia lasa nandositra avy hatrany ilay renim-pianakaviana. Noraisin’ny Polisim-pirenena ilay zaza ary naterina tao amin’ny sampandraharahan’ny Polisy misahana ny fiarovanana ny zaza sy ny Olona marefo ary miady amin’ny heloka mamoafady, ao Anosy (SCPMPM). Misokatra araka izany ny fanadihadiana hitadiavana ilay vehivavy, izay nikasa hanao heloka bevava tamin’io zaza io.
Pati
Legende : Ity ilay zaza tsy manan-tsiny !
 

Dans la même rubrique

05-juin-2026

Fantantsika hatramin’izay fa ny

Card image cap
05-juin-2026

HCC raha mikotrika fanongam-panjakana"

Card image cap
05-juin-2026

ny asa no ifampitsarana!"

Card image cap
05-juin-2026

Voalohany Miisa 31 hatreto ireo Malagasy

Card image cap
05-juin-2026

mifototra amin’ny fahitsiana no tanjona

Card image cap
05-juin-2026

kolikoly amin'ny fampianarana

Card image cap