amin'ny orinasa Jirama teo anelanelan'ny 2018 ka hatramin'ny 2022 noho ny fahasahiranan’io orinasa io ankehitriny. Hatsangana eo anivon'ny Jirama ny sampan-draharaha manokana hanao “recouvrement” na fitakiam-bola, ka raha ilaina dia azo heverina ny fakana ny traikefa avy amina orinasa tsy miankina na “consultant” efa matihanina amin'ny fitakiana vola hanampy amin'ny fananganana io sampan-draharaha manokana io, hoy tatitra. Nambara fa tafakatra hatrany amin'ny 200 miliara Ariary any ny trosan'ny orinasa JIRAMA vidin-jiro sy rano tokony haloan'ny mpanjifa kanefa tsy naloany tao anatin'ny 5 taona farany ka manampy trotraka ny fahasahiranana iainan'ny orinasa ankehitriny izany. Nankatoavin'ny Filan-kevitry ny Minisitra ihany koa ny hirosoana amin'ny fitantanana ny fahaverezana ara- teknika amin'ny fitsinjarana herinaratra avy amin'ny orinasa. Nohazavaina fa fahita maneran-tany io fahaverezana io. Eo ho eo amin'ny 10 ka hatramin'ny 15%n’ny herinaratra izay tsinjaraina no ahitana fahaverezana raha ny salan’isa maneran- tany, fa ho antsika eto Madagasikara dia tafakatra hatrany amin'ny 30% eo izany. Mitombana eo amin'ny 150 miliara Ariary isan-taona eo io fahaverezana ara-teknika io, goavana dia goavana ka nambara fa mila ahena. Fametrahana rafitra ara-kajy mirindra sy rindram-baiko hanaovana fanarahamaso sy fijerena ny famokarana, ny fitaterana ary ny fitsinjarana ny herinaratra no nambara fa vahaolana. Misy orinasa manam-pahaizana manokana sy matihanina amin'izany rafitra ara-kajy mirindra izany maneran-tany, ka hiroso amin'ny fanaovana "appel à manifestation d'intérêt" ny JIRAMA mba hijerena izay orinasa tena manana ny teknolojia, ny traikefa ary manana tolotra tsara indrindra hamaly ny filantsika eto Madagasikara. Fomba fanomezana tsenan'asam-panjakana antsoina hoe "EPC+F" no hatao, izany hoe tsisy vola mivoaka avy amin'ny Fanjakana Malagasy fa ny orinasa izay ho voafantina no hitondra ny famatsiam-bola sy hanao ny asa dia ny fitrandrahana ilay rafitra ara-kajy mirindra izay hapetraka ihany no hampiditra vola ho azy, raha ny fanazavana. Rehefa tapitra kosa ny fifanarahana aminizay orinasa ho voafantina eto dia lasan'ny Fanjakana Malagasy avokoa izay fitaovana rindram-baiko sy rafitra ara-kajy mirindra ho ampiasainy eo. Andrasana indray izany ny tohiny fa ny delestazy aloha dia vao mainka miha zava-doza, fa tsy araka ny vava be sy fanambaniana ny hafa tamin’ny propagandy!
Toky R
Sahirana sy mikorapaka amin’ny tetikasa Base Toliara ny Fanjakana Rajoelina,
Hatramin’ny taona 2023 dia migadra ao amin’ny fonjan’Antanimora i Lola Rasoamaharo,
Miverina mahazo vahana tsikelikely indray ny loto eny Analakely sy ny manodidina,
Nahatratra 230 isa ireo alika nirenireny tsy maintsy novonoina tao anatin’ny
Maty tao Manga Milahatse, fokontany Antanandava,
Ny 30 aprily no nampahafantarina tao anatin’ny filankevitry ny minisitra ny