airtel

Actualités

21-mai-2025

Ambavahaditokana

230 ireo alika mirenireny tsy maintsy novonoina

Sample post image

Nahatratra 230 isa ireo alika nirenireny tsy maintsy novonoina tao anatin’ny

21-mai-2025

kaominina Ambavahaditokana, distrikan’Atsimondrano. Ny Ministeran’ny fiompiana no niantoka ny fanafody raha araka ny fanazavan’ny Ben’ny tanana Ratoetrarinanja Jean Louis, ny CSBII no nanome ny fitaovana toy ny gant, raha anjaran’ny kaominina kosa no nandevina ireo alika maty tamina lavakabe iray tao an-tanana. Tao anatin’ny 2 andro no nanaovana ity hetsika famonoana alika mirenireny ity, taorian’ny nisian’ireo olona miisa 4 voakaikitry ny alika romotra tao an-toerana. Fantatra moa fa ny Ben’ny tanana no nitondra azy 4 ireo tany amin’ny Institut Pasteur notsaboina niaraka tamin’ireo alika izay nanaikitra azy. Taorian’izay no nahafantarana fa romotra ireo alika ireo ka nahatonga ny Ministeran’ny fiompiana sy ny Ministeran’ny fahasalamana nanao fanadihadiana. Ankehitriny tsy mijanona ny hetsika fa mbola mitety Fokontany manao vaksiny ireo alika ao anatin’ny kaominina ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka ho fiarovana ny fahasalaman’ny mponina. Miantso ireo manana alika mba hamatotra izany ao an-tokontany ary hitondra azy hatao vaksiny eny anivon’ny Fokontany ny Ben’ny tananan’Ambavahaditokana araka izany.
Pati
 

Dans la même rubrique

05-juin-2026

Fantantsika hatramin’izay fa ny

Card image cap
05-juin-2026

HCC raha mikotrika fanongam-panjakana"

Card image cap
05-juin-2026

ny asa no ifampitsarana!"

Card image cap
05-juin-2026

Voalohany Miisa 31 hatreto ireo Malagasy

Card image cap
05-juin-2026

mifototra amin’ny fahitsiana no tanjona

Card image cap
05-juin-2026

kolikoly amin'ny fampianarana

Card image cap