airtel

Actualités

21-mai-2025

Ambavahaditokana

230 ireo alika mirenireny tsy maintsy novonoina

Sample post image

Nahatratra 230 isa ireo alika nirenireny tsy maintsy novonoina tao anatin’ny

21-mai-2025

kaominina Ambavahaditokana, distrikan’Atsimondrano. Ny Ministeran’ny fiompiana no niantoka ny fanafody raha araka ny fanazavan’ny Ben’ny tanana Ratoetrarinanja Jean Louis, ny CSBII no nanome ny fitaovana toy ny gant, raha anjaran’ny kaominina kosa no nandevina ireo alika maty tamina lavakabe iray tao an-tanana. Tao anatin’ny 2 andro no nanaovana ity hetsika famonoana alika mirenireny ity, taorian’ny nisian’ireo olona miisa 4 voakaikitry ny alika romotra tao an-toerana. Fantatra moa fa ny Ben’ny tanana no nitondra azy 4 ireo tany amin’ny Institut Pasteur notsaboina niaraka tamin’ireo alika izay nanaikitra azy. Taorian’izay no nahafantarana fa romotra ireo alika ireo ka nahatonga ny Ministeran’ny fiompiana sy ny Ministeran’ny fahasalamana nanao fanadihadiana. Ankehitriny tsy mijanona ny hetsika fa mbola mitety Fokontany manao vaksiny ireo alika ao anatin’ny kaominina ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka ho fiarovana ny fahasalaman’ny mponina. Miantso ireo manana alika mba hamatotra izany ao an-tokontany ary hitondra azy hatao vaksiny eny anivon’ny Fokontany ny Ben’ny tananan’Ambavahaditokana araka izany.
Pati
 

Dans la même rubrique

13-juin-2025

Nanokatra ny fampiratiana ara-pizahatany ITM (Iternational Tourism Fair) andiany faha-11 ny filoha ankehitriny Andry Rajoelina omaly.

Card image cap
13-juin-2025

Anisan’ny navoitran’ny Praiminisitra Ntsay Christian omaly teny amin’ny Antenimierampirenena ny hoe :

Card image cap
13-juin-2025

Renim-pianakaviana iray monina eny Fenoarivo Atsimondrano eny no fantatra

Card image cap
12-juin-2025

Na ny ao amin’ny JIRAMA aza izao izany dia milaza fa hatramin’ny faran’ny taona

Card image cap
12-juin-2025

Manamafy avo roa heny ny fahamailoana ny SAMIFIN izay sampan-draharaha misahana

Card image cap
12-juin-2025

Lany teny anivon'ny Antenimieram-pirenena ny tolo-dalàna miaro manokana ireo varira

Card image cap