airtel

Actualités

05-janv-2024

40%n’ny famatsiana ny JIRAMA

“Ataon’ny Filatex Energy”

Sample post image

Misy tetikasa hanao an’i Nosy be ho nosy maitso ary efa mandeha izany,

05-janv-2024

hoy ny talen’ny fitantanana eo anivon’ny Filatex Energy, Tahiana Ramaromandray. 5 Mégawatt izy io ary tanjona ny hametraka angovo azo avaozina madio, hoy izy. Tsy voatery ho dradradradraina isaky ny tambazotra izany fa asan’ireo ekipa any ambadimbadika any. Tsy maintsy hisy ampahany hajanona ho angovo mahazatra na “thermique” ihany anefa satria tsy afaka mandeha irery aloha hatreto ny angovo azo avaozina. Ny tena tanjona dia ny hanomezana herinaratra manerana ny nosy satria io izao no tena ilaintsika. Tsy latsaky ny 250 Mégawatt ny filàna herinaratra amin’ny alina ho an’ny eto Antananarivo fotsiny. Indraindray tsy ampy io. Faran’izay tsy maintsy atao ny mamboly hazo. 40%n’ny famatsiana ny JIRAMA dia izahay no manao azy fa ny tena zava-dehibe ho anay dia ny hoe ny anjaran’ny angovo azo avaozina izay mbola latsaky ny 10% no mila ampiakarintsika. Rehefa miakatra io dia mihena ny filàna solika. Mahakasika ilay 17 miliara Ariary tahiry na “épargne” dia manana “Parc solaire” na fanovozana angovo amin’ny herin’ny masoandro miisa 2 izahay any Toliara sy Antsiranana. 2,4 Mégawatt ilay ao Toliara ary 2,9 Mégawatt ao Antsiranana. Rehefa mandeha amin’ny heriny manontolo mandritry ny andro ireo “Parc solaire” miisa 2 ireo dia manajanona maotera miisa 2 izahay. Ny 1 any Antsiranana. Ny 1 any Toliara, ao amin’ny ivontoeram-pamatsiana na “central thermique” anay. Manena solika ny fanajanonana an’iny. Iny ilay tombony omena ny JIRAMA. Tombony ho anay ato amin’ny Filatex Energy ny fananana “central thermique” satria ahitana mivantana ny fiasan’ilay “Parc solaire” ataonay izay, hoy hatrany izy.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

15-mai-2024

Mivoatra ny raharaha ady tany ao Amboanara, fokontany Batterie, Kaominina Hell-Ville Nosy Be,

Card image cap
15-mai-2024

Anisan’ireo teboka nitondran’ny eglizy katolika ny fijeriny ny lalàna momba ny famosirana ireo

Card image cap
15-mai-2024

Tanteraka eto ny tena fampiroboroboana ny indostria ety ifotony,

Card image cap
15-mai-2024

Nodimandry teo amin’ny faha-51 taonany androany 14 mey 2024 ny Tale Jeneralin’ny ARAI

Card image cap
15-mai-2024

lela fa tahaka ny tongo-bakivaky ka sady marary no mahamenatra ity zava-manjo an’i Gasikara.

Card image cap
15-mai-2024

Mitombo isa hatrany ireo vehivavy hanaovan’ny vadiny herisetra rehefa manda

Card image cap