airtel

Actualités

24-nov-2021

Actualités

67 ha Atsimo Vehivavy iray nahatrarana rongony

Sample post image

Vehivavy iray 41 taona no saron’ny polisim-pirenena avy ao amin’ny CSP7 teny amin’ny faritra 67ha Atsimo iny ny zoma 19 novambra teo. Raha araka ny fantatra dia nahatratrarana rongony io vehivavy io izay tao an-tranony mihitsy.

24-nov-2021

 Manoloana ny ady amin’ny fiparitahan’ny zava-mahadomelina eny amin’ny faritra 67ha sy ny manodidina iny dia tsy mitsahatra manao fanadihadiana ny Polisy entina hikarohana ireo olon-dratsy minia manaparitaka izany. Nahitam-bokany ny fanadihadiana sy ny fitsirihana natao araka izany. Tokony ho tamin’ny 06 ora sasany hariva moa no niditra tamina tokatrano iray efa narahi-maso ary fantatra fa toeram-pivarotana rongony eny 67ha atsimo ny Polisy. Io vehivavy io no tompon-trano izay tratra niaraka tamin’ny rongony miisa 10 fonosana. Nosamborina avy hatrany ity farany ary tamin’ny fanadihadiana natao taminy dia niaiky ny heloka vitany ity vehivavy ity. Efa natolotra ny fampanoavana ny anaovavy ary naiditra am-ponja vonjimaika.

Pati
Legende : Ity ilay Ramatoa mpivarotra rongony

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Mivoatra ny raharaha fifanolananan’i Andry Andriatongarivo izay migadra eny amin’ny Fonjaben’Imeritsiatosika sy Rtoa Lalatiana Rakotondrazafy Minisitry ny fampianarana teknika teo aloha,

Card image cap
26-avril-2024

Faritra maro no tapaka tanteraka tao anatin’ny adin’ny telo ka hatramin’ny adin’ny dimy teo ny delestazy,

Card image cap
26-avril-2024

Manao tohivakana indray Manao tohivakana indray tato ho ato ny jiro sy rano tapa-dava eny Itaosy,

Card image cap
26-avril-2024

Lehilahy iray manodidina 40 taona antsoina hoe : Rakotonandrasana Jean Clément

Card image cap
26-avril-2024

Ela ny ela fa tratra tao amin'ny kaominina ambanivohitr’ Ambohijanahary Fokontany Ambatolampy

Card image cap
25-avril-2024

Ahiana hisy rivo-doza hiforona hanakaiky an’i Madagasikara ato ho ato.

Card image cap