airtel

Actualités

08-févr-2024

Actualités

67HA Nosamborina ireo mpivarotra katy

Sample post image

Maro ny fitarainan'ireo mponina sy ireo Ray aman-dreny

08-févr-2024

mahakasika ny fivarotana "Katy" eny amin'iny faritra 67 ha Avaratra iny tato ho ato. Betsaka mantsy ireo mpianatra sy zaza tsy ampy taona izay lasa manaotao foana sy miankin-doha mihitsy amin'ny fanjifana io katy io, antony nanosika ny polisim-pirenena nanao hetsika. Nidina ifotony nijery ny zava - misy ireto farany vokatr’izany ka tra -tehaka teo am-pivarotana izany zava-mahadomelina izany ny lehilahy miisa 03. Mbola nahitana Katy milanja 36,100 grama teny amin'izy ireo. Fantatra fa 10.000 Ar no hamarotany ny tangozana ary iray volana izao no nanaovany izany asa izany. Natolotra ny Fampanoavana afak’omaly 06 febroary izy telolahy ireo ary naiditra am-ponja vonjy maika.
HIHITATRA NY FANENJEHANA ?
Nanaitra ihany koa ny serasera samihafa nandeha omaly nilaza fa isan’ny mampirongatra ny fanolanana io noho fihinanana an’ity karazana zava-maniry voasokajy ho « drogue douce » ity ho manetsiketsika ny retsika sy mety hampiakatra ny filàna ara-nofo. Miteraka adihevitra samihafa anefa na izany aza ny firosoana amin’ny fanenjehana ny mpihinana azy satria misy faritra toy ny any Avaratra dia tena maro no mihinana izany tsy amin’ahiahy, fa tena eny imasom-bahoaka. Hiihatra ve izany ny fanenjehana ?

Pati
Legende : Ireto izy telolahy mpivarotra katy eny amin’iny faritra 67 ha avaratra iny !
 

Dans la même rubrique

15-mai-2024

Mivoatra ny raharaha ady tany ao Amboanara, fokontany Batterie, Kaominina Hell-Ville Nosy Be,

Card image cap
15-mai-2024

Anisan’ireo teboka nitondran’ny eglizy katolika ny fijeriny ny lalàna momba ny famosirana ireo

Card image cap
15-mai-2024

Tanteraka eto ny tena fampiroboroboana ny indostria ety ifotony,

Card image cap
15-mai-2024

Nodimandry teo amin’ny faha-51 taonany androany 14 mey 2024 ny Tale Jeneralin’ny ARAI

Card image cap
15-mai-2024

lela fa tahaka ny tongo-bakivaky ka sady marary no mahamenatra ity zava-manjo an’i Gasikara.

Card image cap
14-mai-2024

Nifoha indray ny afera Jirama mikasika kolikoly goavana nahasaraingotra ireo mpitantana sasany.

Card image cap