Amin’ny ankapobeny dia ireo olona monina any ambanivohitra no tena naman’izy io ka na kely na lehibe dia saika mihinana sy mandray azy avokoa. Mahavoa ny aretin’ny taovam-pisefoana ary mety hahavoa ny homamiadan’ny havokavoka mihitsy anefa ny fihinanana paraky. Manimba nify ihany koa izy noho ireo singa mahery ao anatiny raha araka ny fanazavan’ny mpitsabo indrindra fa ho an’ny ankizy madinika. Zazavavy kely vao 4 taona monja anefa raha misy dia efa mihinam-paraky sahady, mponina avy any Betafo any. Raha araka ny fantatra dia mihinana avokoa ireo Ray aman-dReniny ka saika tapitra mihinana avokoa izy 5 mianadahy zanany noho ny fiheveran’izy ireo izany ho tsara ankoatra ilay mbola minono. Tsy nahita asa avy any Ankazobe izy ireo ka tratra hariva teny Vontovorona omaly. Nanolo-tanana azy ireo tamin’izany ny sefom-pokontany sy ny zandarimaria ary ny fiaraha-monina ka nanome sakafo sy saran-dalana hahafahany mamonjy ny tanindrazany any Betafo. Nobedesin’ireo tompon’andraikitra ireo mihitsy moa izy mivady ireo mba hampitsahatra tsy misy hatak’andro ny fanomezany paraky ireo menaky ny ainy ireo fa tena loza mananontanona ho an’ny fahasalaman-janany izany. Encadree kely Tsiahivina hatrany moa fa tokony ho maodely sy fakan-tahaka tsara ho an’ny zanaka isika Ray aman-dReny ao an-tokantrano. Na inona na inona fihetsika hataontsika Ray aman-dReny toy ny fisotroan-toaka sy ny fifohana sigara ohatra dia heverin’ny ankizy ho tsara sy mety izany ka hataony ihany koa toy ny nataon’izy 5 mianadahy ireto. Mila mitandrina isika Ray aman-dReny noho izany. Ankoatra izay dia tokony hiezaka ihany koa ny fitondram-panjakana hametraka sekoly isam-pokontany hahafahana manabe ny zava-bahoaka hahatonga azy ireny ny hanaraka ny fihetsika sy ny fomba hataon’ny sasany fotsiny.
Pati
Sahirana sy mikorapaka amin’ny tetikasa Base Toliara ny Fanjakana Rajoelina,
Hatramin’ny taona 2023 dia migadra ao amin’ny fonjan’Antanimora i Lola Rasoamaharo,
Miverina mahazo vahana tsikelikely indray ny loto eny Analakely sy ny manodidina,
Nahatratra 230 isa ireo alika nirenireny tsy maintsy novonoina tao anatin’ny
Maty tao Manga Milahatse, fokontany Antanandava,
Ny 30 aprily no nampahafantarina tao anatin’ny filankevitry ny minisitra ny