Tsy misy ankizy sy olon-dehibe intsony ankehitriny fa tsy maintsy mifanampy sy mifanome tanana hampandehanana ny fiainana ao an-tokantrano toy ny azy 8 mianaka kely maty tototry ny tany tao amin’ny Fokontanin’i Mahatsinjo tao Ambohimangakely, distrikan’i Miarinarivo ny 01 Novambra lasa teo. Vokatry ny fidangan’ny vidim-piainana avokoa no mahatonga izany. Raha araka ny vaovao azo dia mpihady volamena no asan’izy ireo. Raim-pianakaviana 60 no zokiny indrindra izay mpitarika azy ireo raha zaza vao 8 taona monja no zandriny indrindra. Rehefa nihady tany tsy nitsahatra anefa izy valo mianaka ireo dia nihotsaka tampoka ilay tany ka maty tototra tao avokoa izy ireo, tokony ho tamin’ny 02 ora sy 45 minitra folakandro. Ny 02 Novambra tokony ho tamin’ny 07 ora maraina vao hita avokoa ny vatana mangatsiakan’izy ireo hoy ny vaovao rehefa nifandrimbonan’ny fokonolona. Tsiahivina moa fa mbola tena mahazo vahana tanteraka ny fitadiavambola amin’ny alalan’ny fiadiana volamena any amin’iny faritra andrefan’ny Nosy iny.
Pati
Legende : Nandritra ny famoahana ny vatana mangatsiakan’izy 8 mianaka
Ny injeniera malagasy, Mamitina Rolando Randriamanarivo no nahazo ny loka tamin’ny
Anisan'ireo mpandray anjara ao amin'ny foara iraisam-pirenena eto Madagasikara
Mety hisy ranon’orana anio Zoma 23 May raha araka ny vinavinan’ny Sampana
Zazalahy kely dongadonga no sady salama tsara vao 5 volana monja no fantatra fa