nandritra ny telo taona tao amin'ny Akademy Miaramila Antsirabe (Acmil) indray no navoaka tamin'ny fomba ofisialy omaly nandritra ny lanonana ara-miaramila Fandresena 2023. Amiraly Didier Ratsiraka no anarana nisaloran'ireto andiany mivantana faha- 44 ireto. Andraikitra goavana sy masina no nanoloran'izy ireo tena, hanatevin-daharana ny Foloalindahy ary indrindra hanamafy ny velirano voalohany napetraky ny Filoham-pirenena. Handray anjara amin'ny fandriampahalemana, hiaro ny fiandrianam-pirenena ireo manam-boninahitra ireo ary tokony ho maodely hatrany hoy ny Filoham-pirenena ho andry iankinan'ny fampandrosoan'i Madagasikara. Lanonana famindrana sabatra, famindrana faneva, fametrahana galona sy fitsofan-drano ny andiany mivantana faha-46 miaraka amin'ny andiany manokana faha-26 izay nofaranana tamin'ny matso.Foto-drafitrasa maro tao amin'ny sekoly no nasim-panavaozana ary notokanana ihany koa tamin’ity andron’ny omaly ity.Nanome voninahitra sy nanotrona ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina sady Filoha faratampon'ny Foloalidahy sy Ramatoa vadiny ireo mpikambana eo anivon'ny Governemanta ary ireo manam-pahefana any an-toerana.
Nangonin’i Pati
Nangotraka ny fahatezeram-bahoaka teto Antananarivo ny herinandro lasa teo,
Tsy misy izay tsy mitaraina sy mimenomenona ny amin’ny fanapahan-kevitry ny
Niteraka fahasahiranana tamin’ny mpampiasa vola maro, na ireo mpanjifa io,
Tena mbola ambany ny tahan’ny fanjifan’ny Malagasy ny akoho sy ny akoho eto amintsika.
Tsy ampy 240.000 taonina isan-taona ny vokatra katsaka eto Madagasikara.
Tena nandeha ny tsenan’ny mofomamy ny faran’ny herinandro teo teto