airtel

Actualités

26-mai-2025

TSENAN’NY MOFOMAMY

Nahalafo 200 isa ny mpivarotra iray ny faran’ny herinandro teo

Sample post image

Tena nandeha ny tsenan’ny mofomamy ny faran’ny herinandro teo teto

26-mai-2025

an-drenivohitra sy ny manodidina nandritra ny fankalazana ny Fetin’ny Reny. Raha araka ny fanadihadiana natao mantsy dia nahalany 200 isa ny mpivarotra iray nanomboka afak’omaly Sabotsy 24 May saingy ny delestazy no nanimba ny kaomandy. Betsaka ireo tsy vita vokatry ny fahatapahan-jiro matetika. Nanomboka teo amin’ny 6.000 Ar no vidin’ny iray tamin’izany ka hatramin’ny 25.000 Ar, ho an’olona miisa 6, izany hoe : ireo karazana mofomamy zakan’ny fahefa-mividin’ny besinimaro. Nambaran’ny mpivarotra iray sendra anay fa tena niezaka ny Malagasy namalifaly ny Reny rehetra na dia sahirana aza. Samy nivimbina ny isam-batan’olona na dia mofomamy kely iray aza nentina nanamarihana ny andro omaly. Ho an’ireo karazan’entana hafa toy ny tee-shirt misy soratra Neny malala….indray dia fantatra fa be mpividy ihany koa saingy tena niady varotra ny olona. Raha 20.000 Ar no nanombanana izany dia nisy niady hatrany amin’ny 10.000 Ar ny sasany, tranga izay nahitana taratra ny fahasahiranan’ny tsirairay. Isika rahateo mbola ao anatin’ilay antsoina hoe : an-tanan-dany tanteraka. Tsiahivina moa fa mbola telo sosona ihany koa ny fety miandry amin’iny volana Jona ho avy io izay hosantarin’ny Fetin’ny Pentekosta ny datin’ny 09 Jona. Hanaraka azy aorian’izany ny Fetin’ny Ray izay homarihina ny 15 Jona raha tsy latsa-danja amin’ireo ny Fetin’ny fahaleovantena izay hankalazaina amin’ny datin’ny 26 Jona ho avy izao.
Pati
Legende : Tena be mpividy ny mofomamy afak’omaly sy omaly Alahady ! 

Dans la même rubrique

25-juin-2025

Niakatra Fitsarana omaly ny raharaha iray anenjehana an’i Fernand Cello,

Card image cap
25-juin-2025

Nifarana omaly tetsy amin’ny Novotel Alarobia ny atrikasa nandinihan’ny teo anivon’ireo

Card image cap
25-juin-2025

Triatra ny fo, hoy ny renim-pianakaviana iray, mahita ireto mpiray tanindrazana mifandimby

Card image cap
25-juin-2025

Niamboho omaly ny Me Lala Ratsirahonana, Mediatioran’ny Repoblika. Mpisolovava,

Card image cap
25-juin-2025

Mafy ny mahazo ireo mpivarotra arendrina vita Malagasy.

Card image cap
25-juin-2025

Ny tsy fananan'asa no anisan'ny fototra miteraka ny tsy fandriampahalemana eto amintsika.

Card image cap