airtel

Actualités

27-juil-2026

ANDOHAN'I MANDROSEZA

Olona miisa 5 tratra nanapaka taribin'ny JIRAMA

Sample post image

Mitohy hatrany ny halatra taribin'ny

27-juil-2026

orinasa JIRAMA hataon'ny sasany. Ny alin'ny 24 Jolay teo nandritra ny fisafoan'ny Polisy tao Andohan'i Mandroseza, dia olona dimy (05) no tratra teo am-panapahana taribin'ny JIRAMA. Izy ireo, izay voakarama hiambina ireo tariby, no voalaza fa nikasa hangalatra sy hivarotra izany indray. Nosamborin'ny Polisy avy hatrany izy dimy lahy raha nogiazana ihany koa ny tariby sy ny fitaovana nampiasaina. Mitohy ny fanadihadiana hatao amin'izy ireo mialohan' ny hiakarany eny anivon'ny Fampanoavana anio Alatsinainy 27 Jolay. Manentana ny rehetra mba hampandre avy hatrany azy ireo ny Polisim-pirenena raha mahita tranga mampiahiahy sy hafahafa tahaka izao eny anivon'ny fiaraha-monina.
Nangonin'i Pati
Légende : Izy dimy lahy tsy maintsy hanohy ny fiainany any am-ponja !
 

Dans la même rubrique

17-sept-2026

karaman’ireo depiote hamahana delestazy ! »

Card image cap
16-sept-2026

Mbola tsy mivaha tanteraka ireo

Card image cap
16-sept-2026

124 miliara dolara ho an’i Afrika, zara raha 406 tapitrisa dolara ny antsika

Card image cap
16-sept-2026

Niverina ofisialy omaly 15 septambra 2026

Card image cap