airtel

Actualités

27-juil-2026

TATAMO ONISOA

Tsy very fa mitsoaka noho ny fisolokianaK

Sample post image

Karohan'ny Polisim-pirenena eo

27-juil-2026

anivon'ny sampandraharaha misahana ny ady heloka bevava Anosy Rtoakely Rajaonarivo Tatamo Onisoa. Iray tamin’ireo anarana sy sary nalaza nanaovana fikarohana olona very, saingy tsy very sy nanjavona izany izy, fa mitsoaka noho ny asa ratsy. Teraka tamin'ny 05 Novambra taona 1995 izy izany hoe : vao 31 taona monja ary « entrepreneur » no asany. Tao amin'ny adiresy Lot II A 28 AZA, Amboditsiry no nahitana azy farany. Raha araka ny fantatra dia resaka fisolokiana no antony hitadiavana azy. Manome toky ny Polisim-pirenena fa mijanona ho tsiambaratelo tanteraka ny mombamomba izay rehetra manome vaovao mikasika ity tovovavy kely ity. Amin'ny ankapobeny dia fitiavam-bola aman-karena no manosika olona hanaotao foana tahaka izao. Tsy hanavahana sokajin-taona intsony izany izay fantatra fa tena mahazo vahana tokoa eto amintsika. Mila mailo ny tsirairay manoloana izany. Tsy voatery ho ireo manao akanjo malotoloto ihany mantsy no mpangalatra sy mpisoloky fa misy tena olona manana ny maha-izy azy mihitsy.
Nangonin'i Pati
Légende : Tovovavy vao herotrerony tokoa i Rajaonarivo Tatamo !
 

Dans la même rubrique

27-juil-2026

Nangatahana ho atao amin’ny teny malagasy

Card image cap
27-juil-2026

Nodimandry ny Kolonely Botomanovatsara

Card image cap
27-juil-2026

Nisy fipoahana tao Ambohimanambola, hoy ny Jirama

Card image cap
27-juil-2026

Miroso amin'ny fanavaozana lehibe

Card image cap
27-juil-2026

Mitohy hatrany ny halatra taribin'ny

Card image cap