airtel

Actualités

27-juil-2026

Fanatsarana ny

tsenan'ny lavanila Miroso amin'ny fanavaozana ny AVM

Sample post image

Miroso amin'ny fanavaozana lehibe

27-juil-2026

amin’izao fotoana izao ny eo amin’ny sehatra lavanila amin'ny alalan'ny AVM (Alliance pour la Vanille Malagasy). Niditra amin’ny dingana manan-danja amin’ny fanarenana sy fanamafisana ny tsena ny AVM, ka taorian’ny Antso ho Fanehoana Fahalianana (AMI: Appel à manifestation d'intérêt) sy ny fifantenana ireo orinasa mendrika, dia efa voasonia ny fifanarahana amin’ireo mpiara-miombon’antoka vaovao any amin’ny Faritra DIANA sy SOFIA, ka afaka manomboka mividy lavanila maitso mivantana amin’ny tantsaha ireo orinasa voafidy. Ho an’ny Faritra SAVA kosa, mbola eo am-pamaranana ny fifanarahana ny AVM, izay hahafahana mividy lavanila voakarakara hatramin’ny 390 taonina, hanampy amin’ny fanangonana lavanila maitso manodidina ny 1 950 taonina avy amin’ny mpamokatra. Tsiahivina fa tsy maintsy mividy lavanila maitso amin’ny tantsaha ireo orinasa mpiara-miasa amin’ny AVM, mba hahatonga ny fanohanana ho tsapa mivantana eny ifotony sy hanome aina vaovao ho an’ny tsena. Araka ny fanapahan-kevitry ny Filankevi-pitantanana, ny vola azo avy amin’ny fanondranana dia zaraina toy izao: 40 % hividianana lavanila voakarakara, hampihenana ny tahiry efa misy; 55 % ho an’ny fanatsarana maharitra toy ny fanatsarana ny kalitao, laboratoara, fanaraha-maso ny niavian’ny vokatra, fikarohana ary fotodrafitrasa; ary 5 % ho an’ny fampandehanana ny AVM. Ny fitantanana sy ny fampiasana ny lavanila vidian’ny AVM dia hifanaraka amin’ny fanapahan-kevitry ny Filankevi-pitantanana sy ny fivoaran’ny tsena, tsy hifaninana amin’ireo mpandraharaha fa hanamafy ny fitoniana sy ny fahombiazan’ny sehatra. Amin’izao fotoana izao, eo anelanelan’ny 10 000 Ar sy 11 000 Ar isaky ny kilao ny vidin’ny lavanila maitso eny amin’ny mpamokatra ao SAVA, raha ny lavanila bio kosa dia mety hahatratra hatramin’ny 23 000 Ar isaky ny kilao.
Toky R
 

Dans la même rubrique

27-juil-2026

Nangatahana ho atao amin’ny teny malagasy

Card image cap
27-juil-2026

Nodimandry ny Kolonely Botomanovatsara

Card image cap
27-juil-2026

Nisy fipoahana tao Ambohimanambola, hoy ny Jirama

Card image cap
27-juil-2026

Karohan'ny Polisim-pirenena eo

Card image cap
27-juil-2026

Mitohy hatrany ny halatra taribin'ny

Card image cap