airtel

Actualités

26-févr-2024

Adiadin’ny samy tovovavy tao Antsiranana

Roa naiditra am-ponja, 4 nahazo fahafahana vonjimaika

Sample post image

Nahazoam-baovao matetika tato ho ato ny adiadin’ny samy tovovavy ao Antsiranana ao.

26-févr-2024

Miisa 6 izy ireo no voakasik’izany ny faran’ny herinandro teo ka ny 2 naiditra am-ponja raha nahazo fahafahana vonjimaika kosa ny roa ambiny rehefa avy natao famotorana sy nandalo teo anivon’ny fampanoavana. Vesatra nanenjehana azy ireo ny fanakorontanana saim-bahoaka amin’ny alalan’ny adiadin’andian-tarika na groupes : XENDER sy VOYELLES ka mifampihantsy anaty tambajotran-tserasera Facebook no sady mifanome fotoana hiady ka alainy sary ny ady ataon'izy ireo dia haparitany anaty tambajotran-tserasera Facebook indray avy eo. Betsaka ireo tsy nahazaka izany no sady voararan’ny lalana rahateo ny fanaovana izany antony tsy maintsy nakana azy enim-bavy ireto. Fantatra moa fa handray andraikitra feno amin’ny fijerena ireo vondrona mifampihantsy anaty tambajotran-tserasera Facebook ireny ny mpitandro ny filaminana any an-toerana ho fiarovana ny ain’ireo tantsaha sy hanovana ny toe-tsaina tsy ho liana amin’ny fanaovana valifaty.
Pati
Legende : Ireto ry zareo !
 

Dans la même rubrique

15-mai-2024

Mivoatra ny raharaha ady tany ao Amboanara, fokontany Batterie, Kaominina Hell-Ville Nosy Be,

Card image cap
15-mai-2024

Anisan’ireo teboka nitondran’ny eglizy katolika ny fijeriny ny lalàna momba ny famosirana ireo

Card image cap
15-mai-2024

Tanteraka eto ny tena fampiroboroboana ny indostria ety ifotony,

Card image cap
15-mai-2024

Nodimandry teo amin’ny faha-51 taonany androany 14 mey 2024 ny Tale Jeneralin’ny ARAI

Card image cap
15-mai-2024

lela fa tahaka ny tongo-bakivaky ka sady marary no mahamenatra ity zava-manjo an’i Gasikara.

Card image cap
15-mai-2024

Mitombo isa hatrany ireo vehivavy hanaovan’ny vadiny herisetra rehefa manda

Card image cap