airtel

Actualités

31-oct-2022

Actualités

Ady amin’ny afo Andraikitry ny olompirenena rehetra, hoy ny INDRI

Sample post image

Ravan’ny afo ny alan’i Madagasikara, hoy ny INDRI na ‘’Initiative pour le développement, la restauration écologique et l’innovation”,

31-oct-2022

izay rafitra miady amin’ny mpanimba tontolo iainana eto amintsika. Manoloana izany loza izany, hoy izy ireo, dia tianay ny mampahatsiahy fa ny ady amin’ny afo dia andraikitry ny olompirenena tsirairay. Tamin’ny taona 2021 ny tetikasa “Alamino’’, izay tarihin’ny INDRI, dia nanolotra fepetra miisa 12 iadiana amin’ny afo, izay mifototra amin’ny singa miisa 4 mafonja. Manoloana ny zava-misy ankehitriny dia zarainay indray ireo fepetra ireo. Manetsika sy mandrindra ireo mpisehatra amin’ny fananganana ivontoerana nasionaly aro afo miandraikitra ny fampivondronana ny mpisehatra sy ny vaovao na “torohay sy angom-baovao” hahafahana mandrindra ny asa amin’ny famerenana sy fanetsehana ny komity maharitra miady amin’ny afo, indrindra, ireo mipetraka eny amin’ny faritra saropady, ahitana doro ala tsy voafehy. Eo koa ny fepetra amin’ny fiaraha-miasa amin’ireo mpitandro ny filaminana mba hanara-maso sy hanampy amin’ny famonoana ny afo, hampanaja ny lalàna velona sy hiaro ireo mpisehatra miady amin’ny afo. Misy amin’ireo fepetra ireo moa no noraisin’ny governemanta. Ohatra amin’izany ny fametrahana ny «Centre de Coordination et d’Opérationnalisation» (CCO) izay miady amin’ny afo. Zava-dehibe ny hoe tsy tokony ho voafetra mandritra ny vanim-potoanan’ny afo ihany ny fiasan’io rafitra io. Ny ankamaroan’ny hetsika iadiana amin’ny afo dia tokony voafaritra mialoha, mandritra ny taona ary indrindra fa alohan’ny vanim-potoanan’ny afo, hoy hatrany izy ireo.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

23-mai-2025

Ny injeniera malagasy, Mamitina Rolando Randriamanarivo no nahazo ny loka tamin’ny

Card image cap
23-mai-2025

Anisan'ireo mpandray anjara ao amin'ny foara iraisam-pirenena eto Madagasikara

Card image cap
23-mai-2025

an-trano no tokony hataon’ny depiote!»

Card image cap
23-mai-2025

Mety hisy ranon’orana anio Zoma 23 May raha araka ny vinavinan’ny Sampana

Card image cap
23-mai-2025

setrasetra, fikasihan-tanana, ompa…»

Card image cap
23-mai-2025

Zazalahy kely dongadonga no sady salama tsara vao 5 volana monja no fantatra fa

Card image cap