Ny eo anivon’ny sekoly ambony momba ny siansa mikasika ny fambolena no mampiantrano ity atrikasa nanomboka omaly hatramin’ny 21 oktobra izao ity. Nasaina anatin’izany ny olona voakasik’izay harena voajanahary izay rehetra. Na ny mampiasa izany na ny mitantana mba hitondra ny fomba fijeriny, hoy ny fanazavan’ny talen’ny sekolin’ireo mpiomana ho dokotera eo anivon’ity sekoly ambony ity, Salomon Ramamonjisoa. Ny fikarohana natao no nahitana fa tsy misy fandrosoana anaty firenena iray raha tsy misy fahalalana vokarina ao anatiny, hoy izy. 350 isa ireo tantsaha mpiofana ato aminay. Isan’ny ho adihevitra ny hoe izao no ato fa laharam-pahamehana kokoa ny izao. Ny fiadiana amin’ny afo izao, ohatra, mbola tsy dia misy mpanao loatra. Lasa mijery fotsiny isika fa tsy afaka manao na inona na inona. Rehefa miresaka aty amin’ny agronomia isika dia ohatran’ny hoe ala sy fambolena fa rehefa hoe harena voajanahary dia tafiditra hatramin’ny rano sy ny harena an-kibon’ny tany ary ny ambiny rehetra. Iny no lohahevitra lehibe hoe ahoana no hitantanana azy? Raha ny fikarohana mikasika ny fitantanana ny harena voajanahary eto amintsika, raha ny petrakevitra hatreto aloha, dia tsy mahay miara-miasa fa samy maka ho azy ireo mpitantana amin’ny ankapobeny. Na ny mpanangom-bokatra sy mpamokatra aza mbola mifanambaka. Hany ka lasa ny vahiny no mitrandraka ny alantsika. Ny pakistanais no mitrandraka ny harena an-kibon’ny tany, ohatra. Kolontsainan’ny teny moa no tena olana ny kolontsaintsika fa tsy soratra. Maro amin’ireo olona nasaina no tsy namaky ilay fanasana koa. Eo izany no fanontaniana lehibe hoe ahoana no hampitana ireo sosonkevitra amin’ny alalan’ny teny fa tsy soratra? Ny mpianatra ho dokotera na “école doctorale” eto anivon’ny sekoly ambony momba ny agronomia moa tsy maintsy hampiseho ny voka-pikarohany ary na ny fikarohana momba izay resaka ady amin’ny afo izay, hoy hatrany ny fanazavany, raha ny doro ala sy tanety io no resahana.
J. Mirija
Legende: Teny Ankatso omaly
Ny nosy Maorisy dia nitaky ny hamerenana amin’izy ireo ny nosy Chagos
Tafintohina amin’ny fanambarana nataon’ny Governemanta frantsay, tamin’ny alalan’ny Minisitra lefitra
Ny APIPA na Sampan-draharaha fiarovana amin’ny fiakaran’ny rano eto amin’ny lemak’Antananarivo
Anisan’ny fitaovana tena ilaina amin’ny resaka famonjena voina ny « drone ».
Nisy ny sabotsy teo, tetsy Ankorondrano, ny fanolorana fitaovam-piasàna ho an’ireo
Misy ifandraisany ny firongatry ny tsy fandriampahalemana sy ny fitotongan’ny