airtel

Actualités

14-nov-2024

Ady amin’ny fipariahana vaovao diso

Nitsangana ny tranonkala « What the fact »

Sample post image

Nisokatra tamin'ny fomba ofisialy nanomboka omaly 13 novambra 2024 ny tranokala vaovao What The Fact https://whatthefact.wearecid.mg,

14-nov-2024

noforonin’ny ONG CID (Communication Idea Development) na « Hai-serasera manonga dia » amin’ny teny Malagasy. Marihina fa niorina tamin'ny taona 2016, CID dia fikambanana tsy miankina miasa amin'ny fampivoarana ny haino vaky-jery. Tranokala ahitana loharanom-baovao azon'ny rehetra tsidihina kosa ny What the fact, ary mikendry ny hampienana ny fiantraikan'ny fiparitahan'ny vaovao diso sy ny tena miaro fankahalana amin'ny tambazotra serasera sy aterineto amin'ny ankapobeny, raha ny fanazavana. Tanjona, hoy ny ONG CID, ny hanomezana fanamarinana ireo tranga sy fanaraha-maso ny fampiasana teny fankahalàna ao anaty tambajotra serasera. Rafitra mpanara-maso ireo tranga ara-tsosialy sy ara-politika (toy ny fanambarana, tsaho, sns.) ao amin'ny tambazotra sosialy, natokana ho an'ny ady amin'ny fipariahan'ny vaovao diso sy ny teny fankahalàna na fanaratsiana eto Madagasikara noho izany ny « What the fact ». Tafiditra tanteraka ao anatin'ny tetikasa Liberté d'expression Madagascar-MANEHOA, iarahana amin'ny INTERNEWS ary nahazo famatsiam-bola avy amin'ny Vondrona Eoropeanina. Hiompana amina lohahevitra 4: fitantanana, fampianarana, fahasalamana ary tontolo iainana. Hisahana asa roa lehibe dia ny fanaraha-maso ny vaovao diso sy manara-maso ny teny fankahalàna. Ahitana mpahay lalàna, mpanao gazety, ary matihanina amin'ny siansa ara-politika sy serasera noho izany ireo mandrafitra ny What the fact. Izy ireo dia manana traikefa amin'ny sehatry ny ady amin'ny vaovao diso, fanaraha-maso ny haino vaky-jery, ary nahazo fiofanana manokana avy amin'ny Africa Check, fikambanana matihanina amin'ny fiadiana amin'ny fipariahan'ny vaovao diso (fact-checking) aty Afrika, hoy hatrany ny fanazavana. Afaka miditra sy mamaky malalaka ireo andinin-dahatsoratra avokoa ny rehetra, ary indrindra afaka misoratra anarana amin'ny fahazoana ny lahatsoratra FEO na olon-tsotra, na mpisehatra eo amin'ny asa fanaovan-gazety, na ny fiaraha-monim- pirenena, na ny adrim-panjakana sy ny mpiara-miombonʼantoka. Ary farany, tsy tapaka ny fanavaozana ny tranokala isaky ny misy ny lahatsoratra voamarina sy ireo fanaraina momba ny teny fankahalàna azon'ny ekipa, hoy hatrany ny fanazavana.
Toky R
 

Dans la même rubrique

23-mai-2025

Ny injeniera malagasy, Mamitina Rolando Randriamanarivo no nahazo ny loka tamin’ny

Card image cap
23-mai-2025

Anisan'ireo mpandray anjara ao amin'ny foara iraisam-pirenena eto Madagasikara

Card image cap
23-mai-2025

an-trano no tokony hataon’ny depiote!»

Card image cap
23-mai-2025

Mety hisy ranon’orana anio Zoma 23 May raha araka ny vinavinan’ny Sampana

Card image cap
23-mai-2025

setrasetra, fikasihan-tanana, ompa…»

Card image cap
23-mai-2025

Zazalahy kely dongadonga no sady salama tsara vao 5 volana monja no fantatra fa

Card image cap