airtel

Actualités

18-janv-2024

Ady amin’ny kolikoly sy halatra tany

Milaza hanova fiasa ny «Domaine » Avaradrano

Sample post image

Raharaha isan’ny nitana ny sain’ny maro ny ady tany ao Isahafa anatin’ny

18-janv-2024

kaominina Anosy Avaratra, distrikan’Antananarivo Avaradrano. Tany manodidina ny 20 ha no misy olana, fa ilay farany teo dia ny raharaha fanodinana tanin’olona manodidina ny 5ha no nampidoboka tompon’andraikitra ambony teo anivon’ny Minisiteran’ny fanajariana ny tany any am-ponja. Efa nahavitana taratasy hosoka sy voasoratra amin’olon-kafa ny tany. Isan’ny nanaovan’ny olona fitaraina ny karazana fandrirarirana toy ny filazana fa tsy hita ny boky rehefa « Certificat de Situation Juridique » eo anivon’ny sampan-draharahan’ny fananan-tany na ny « Domaine ». Ankehitriny, namoaka filazana ny Sampan-draharahan’ny fananan-tany Avaradrano, fa miova tanteraka ny fomba fiasa. Tanjona ny hanafoanana ny kolikoly ary ny tsy hampisy ny elanelana eo amin’ny lehibe sy ireo mpikarakara taratasy, ho fanatsarana ny asa. Handray ny olona rehetra manana fitarainana mahakasika ny mpiasa na « agent » ny lehibe rehetra. Tsy maintsy hazavain’ny mpikajy ny fananan-tany avokoa ny antony mahatara ny famoahana ny "Certificat de Situation Juridique" (CSJ) ary soniavin’ny mpiasa sy ny mpitaraina. Ny antontan-taratasy rehetra miala eo amin’ny sampan-draharaha Avaradrano na izay efa vita rehetra dia atao peta-drindrina avokoa isaky ny alatsinainy. Farany, ny fikirakirana ny famoahana ny CSJ dia haharitra 15 andro ary roa volana kosa ny antontan-taratasy ankoatra izay. Hisy ve ny fanenjehana ireo mety ho niray tsikombakomba tamin’ny mpanao ratsy nahavita nanoratra tanin’olona tamin’ny anarany ?
Toky R


 

Dans la même rubrique

15-mai-2024

Mivoatra ny raharaha ady tany ao Amboanara, fokontany Batterie, Kaominina Hell-Ville Nosy Be,

Card image cap
15-mai-2024

Anisan’ireo teboka nitondran’ny eglizy katolika ny fijeriny ny lalàna momba ny famosirana ireo

Card image cap
15-mai-2024

Tanteraka eto ny tena fampiroboroboana ny indostria ety ifotony,

Card image cap
15-mai-2024

Nodimandry teo amin’ny faha-51 taonany androany 14 mey 2024 ny Tale Jeneralin’ny ARAI

Card image cap
15-mai-2024

lela fa tahaka ny tongo-bakivaky ka sady marary no mahamenatra ity zava-manjo an’i Gasikara.

Card image cap
15-mai-2024

Mitombo isa hatrany ireo vehivavy hanaovan’ny vadiny herisetra rehefa manda

Card image cap