airtel

Actualités

23-sept-2022

Actualités

Ady amin’ny piraty Olona 28 no natolotra ny fitsarana

Sample post image

Mitohy ny fitetezam-paritra hataon'ny ekipan'ny BAP na ny Borigady miady amin’ny piraty mikasika ny ady amin'ny hosoka ara-javakanto eto amintsika.

23-sept-2022

Tany amin'ny distrikan'Amparafaravola izy ireo ny 12 septambra teo no nandeha ka olona folo no voasambotra. Fantatra fa nanao hosoka tamin’ny fivarotana kapika mangirana piraty izy ireo, herim-pon’ireo mpanankato izay nisasatra sy nitsemboka ka nandany vola tsy toko tsy forohana. Taorian'izay dia nitohy niankandrefana, tany amin'ny faritra Boeny ny dian’ireo ny 16 septambra teo ka mpanao piraty miisa 18 indray no tratra tao Mahajanga. Ho fanajana sy fanarahana ny lalàna velona dia natolotra ny fitsarana 28 isa ireo. Manentana ny mpiray tanindrazana hatrany moa ny BAP fa voararan'ny lalàna ny mividy sy mivarotra hosoka ary ny mampiditra hira sy horonan-tsary eny amoron-dàlana tsy nahazoana alàlana.
Nangonin’i Pati
Legende : Santionany tamin’ireo mpanao hosoka tratra
 

Dans la même rubrique

27-mai-2025

Nangotraka ny fahatezeram-bahoaka teto Antananarivo ny herinandro lasa teo,

Card image cap
27-mai-2025

Tsy misy izay tsy mitaraina sy mimenomenona ny amin’ny fanapahan-kevitry ny

Card image cap
27-mai-2025

Niteraka fahasahiranana tamin’ny mpampiasa vola maro, na ireo mpanjifa io,

Card image cap
27-mai-2025

Tena mbola ambany ny tahan’ny fanjifan’ny Malagasy ny akoho sy ny akoho eto amintsika.

Card image cap
27-mai-2025

Tsy ampy 240.000 taonina isan-taona ny vokatra katsaka eto Madagasikara.

Card image cap
26-mai-2025

Tena nandeha ny tsenan’ny mofomamy ny faran’ny herinandro teo teto

Card image cap