tia tanindrazana

Parution du Vendredi, 2 Juin 2023

airtel

Actualités

Ady amin’ny trafika sy fanararaotam-pahefana Nomen’ny Kaomorianina lesona ny Malagasy

Olona miisa 9 niakatra fitsarana ny herinandro teo, ka ny 5 voaheloka higadra 7 taona, ary ny 2 voaheloka 5 taona, 2 noahafahan’ny fitsarana.

31-oct-2022

Sample post image

Voarohirohy tamin’ny raharaha fahatrarana bolongam-bolamena miisa miisa 28 49 kg avy aty Madagasikara ny 28 desambra 2021. Saika halefa tany Dubai izy io no sarona. Ny Tale Jeneralin’ny seranam-piaramanidina teo aloha Yasser Assoumani, tompon’andraikitry ny seranana iray Fardi Abodo, izay voalaza fa olona akaiky ny Filoha Kaomoriaina no lohalaharana amin’izany. Miampy mpiasan’ny fadin-tseranana hafa Elhad, Aynou ary Nadhuif. Ireo no voaheloka higadra 7 taona sy mandoa lamandy 1 tapitrisa farantsa Komorianina. 5 taona sazy mihatra avy kosa ho an’I Djimi sy Kamaradine, raha toa ka afaka ny roa hafa. Efa herintaona tany am-ponja ireo; Voalaza fa tambajotra goavana efa nahavita trafika 11 izy ireo 4 volana nialohan’ny fahatrarana. Andian-jiolahy mpanao trafikana entana voarara, Trafika, hosoka, kolikoly, fanararaotam-pahefana no vesatra nanenjehana ireo. Notsipihin’ny Gazety Kaomorianina La Gazette des Comores fa ireo roalahy teratany Malagasy izay fototra tokony hohenoina dia I Pierre Stenny sy Azaly Failaza Pacheko, dia nalefa aty Madagasikara noho ny fangatahan’ny governemanta Malagasy. Tsara ny manamarika fa ny Minisitry ny fitsarana teo aloha Atoa Imbiki Herilaza no nitarika ny delegasionina Malagasy naka an’ireo tany Kaomoro. Ity minisitra tamin’izany ity izay efa nisy fotoana nilazany fa volamena hatrany amin’ny 2 taonina aza no mbola misy mikasa hanondrana. Ny volana febroary 2022, dia ity Minisitra ity indray no voahendaka tamin’ny toerany, rehefa nipoitra ny dosie milaza fa tafiditra amin’ny afera goavana. Momba ireo teratany Malagasy sarona tany Kaomoro, nentina fiaramanidina manokana mihitsy nody teto Madagasikara. Tsy tena nisy tohiny firy dia naiditra am-ponja vonjimaika, tsy nisy fitsarana, tsy fantatra izay namany teto, kanefa heverina fa irakiraka ihany ireo. Nampodiana eto mba ho arovana sy hanapenana ny vavany? Raha navela tany Kaomoro, azo antoka fa henjana ny saziny satria ny an’olona hatramin’ireo akaiky ny Filoha aza rehefa manao ny tsy mety dia mizaka ny vokany. Karazan’ny nomen’ny Kaomorianina lesona indray isika satria ny antsika toa fialokalofana amin’ny afera maloto eo ambany elatry ny Filoha, raha tarafina amin’ireo olona ambony ao anaty fitondrana voasaringotra amin’ny afera maloto sy manararao-pahefana, misy misandoka andraikitra mihitsy, hany ka hatramin’ny Bianco aza toa miala maina. Tena mampihatra ny tany tan-dalàna sy ny mangaraharaha ny olona, raha toa ka toa efa mahafaobe mandrakotra ny ambaratogam-pahefana kosa ny afera maloto eto amintsika.
Toky R
 

Dans la même rubrique

Card image cap
Volamena 36kg very tao amin’ny minisitera Mpiasa 2 natao sorona, ny tambajotra tsy voakitika
02-juin-2023

Olona miisa roa no nohelolina 7 taona gadra an-tranomaizina sy asa an-terivozona miampy lamandy 10 miliara Ar avy

Card image cap
Fanefana trosabe amin’ny Tozzi Green Hampindram-bola ny Jirama ny Fanjakana
01-juin-2023

Noraisin'ny Filan-kevitry ny Minisitra omaly 31 mey 2023 ny didim-panjakana entina mankatoa ny fifanaraham-pindramam-bola eo amin'ny Minisiteran'ny sy ny Fitantanam-bola sy ny orinasa JIRAMA

Card image cap
Fanaovana taratasin-tany hosoka MD eny Antanimora i bebe sy ny ekipany
01-juin-2023

Tsy hanavahana sokajin-taona marina ny fitiavam-bola. Tsy hitsitsian’ny sasany aina sy voninahitra izany na

Card image cap
Sampana fanantenana Nampahafantatra ny voka-dratsy ateraky ny fifohana sigara
01-juin-2023

Ny aretin’ny homamiadana no voka-dratsy voalohany ateraky ny fifohana sigara eny anivon’ny fiaraha-monina na ho an’ny tanora izany na ho an’ny olon-dehibe.

Voir plus