airtel

Actualités

30-nov-2022

Actualités

Ady amin’ny tsy fananan’asa Mifampizara traikefa ny RAFPRO sy ny FMFP

Sample post image

Tsy an’asa ny ankamaroan’ireo tanora eto amintsika na manana diplaoma izany na tsia. Mbola maro anefa ireo sehatra malalaka azo hanofanana azy ireny eto amintsika toy

30-nov-2022

ny fikarakarana ireo sambo misy olana eny an-dranomasina ohatra izay ilana manam-pahaizana avy any ivelany hatrany ary handaniana volabe. Mbola malalaka ary azo hanofanana tanora tsara ihany koa ny resaka tontolo iainana, ny ady amin’ny fiovaovan’ny toetr’andro… Izany indrindra no anton’ilay atrikasa hifanakalozan’ny RAFPRO na ny Réseau Africain des Institutions et Fonds de Formation Professionnelle sy ny FMFP (Fonds Malgache de Formation Professionnelle) etsy amin’ny Carlton Anosy. Hifarana anio alarobia izany fihaonana izany ka anisan’ny tanjon’ny roa tonta ny hahafahana mampihena ny tahan’ireo tanora Malagasy tsy an’asa eto amintsika. Notsindrian-dRabearivelo Noelison, filohan’ny filan-kevi-pitantanan’ny FMFP fa tena zava-dehibe tokoa ny fisian’ny fifanakalozana traikefa tahaka izao hahafahana manampy sy manohana ireo tanora indrindra ny fitrandrahana ireo sehatra hita fa mbola malalaka sy azo hivelomana tsara eto amintsika. Manohana akaiky izao fanampiana ny tanora ireo ny Ministeran’ny fampianarana teknika sy ny fiofanana arak’asa. Tsiahivina moa fa efa efa-taona izao no nijoroan’ny FMFM teto amintsika. Firenena Afrikana miisa 12 hatreto no efa hiasany izay miompana amin’ny fanofanana sy fanampiana ny tanora avokoa manoloana ny ady amin’ny tsy fananan’asa.
Pati
Legende : Ireo mpizaika mifanakalo traikefa etsy amin’ny Carlton Anosy
 

Dans la même rubrique

23-mai-2025

Ny injeniera malagasy, Mamitina Rolando Randriamanarivo no nahazo ny loka tamin’ny

Card image cap
23-mai-2025

Anisan'ireo mpandray anjara ao amin'ny foara iraisam-pirenena eto Madagasikara

Card image cap
23-mai-2025

an-trano no tokony hataon’ny depiote!»

Card image cap
23-mai-2025

Mety hisy ranon’orana anio Zoma 23 May raha araka ny vinavinan’ny Sampana

Card image cap
23-mai-2025

setrasetra, fikasihan-tanana, ompa…»

Card image cap
23-mai-2025

Zazalahy kely dongadonga no sady salama tsara vao 5 volana monja no fantatra fa

Card image cap