airtel

Actualités

15-juin-2021

Actualités

Ady tany eny Andoharanofotsy Voatonotonona i Alain Andriamiseza

Sample post image

Misy ny fifanolanana ara-tany eo amin’Atoa Alain Andriamiseza Minisitra teo aloha sy ireo olona mipetraka eo amin’ny tany

15-juin-2021

 

 

 izay hiadian’ny andaniny sy ny ankilany. Samy manana ny heveriny fa marina sy rariny avy ny andaniny sy ny ankilany, ary samy maneho ho porofo amin’ny maha azy ny tany. Omaly tonga teny Andoharanofotsy niaraka tamin’ny mpitandro filaminana, nandroaka ireo olona teo amin'ny trano sy ny tany Atoa Alain Andriamiseza, ka nanaiky tsy fidiny hiala aloha ireo ankilany nanoloana ny firodorodon'ny mpitandro filaminana, raha ny vaovao azo avy eny an-toerana. Nitondra “titre” rahateo Atoa Alain Andriamiseza nentiny nanehoana ny maha ara-dalàna ny maha azy ny fananana. Voalaza ihany koa anefa etsy ankilany, fa mbola mandeha eny amin’ny fitsarana ity raharaha ity. Gaga sy talanjona ihany koa ireo olona monina eo amin’ilay tany izay manana “Titre Original”, hoe fa nivoaka avy aiza ny “titre” naseho azy ireo omaly ka nanamafisana ny fandroahana azy ireo. Tsy nahazo fampiantsoana na fampahafantarana ireto olona ireto hoe atao ny fitsarana momba ilay tany. Andrasana ny ho tohiny.

 Tevez

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Mivoatra ny raharaha fifanolananan’i Andry Andriatongarivo izay migadra eny amin’ny Fonjaben’Imeritsiatosika sy Rtoa Lalatiana Rakotondrazafy Minisitry ny fampianarana teknika teo aloha,

Card image cap
26-avril-2024

Faritra maro no tapaka tanteraka tao anatin’ny adin’ny telo ka hatramin’ny adin’ny dimy teo ny delestazy,

Card image cap
26-avril-2024

Manao tohivakana indray Manao tohivakana indray tato ho ato ny jiro sy rano tapa-dava eny Itaosy,

Card image cap
26-avril-2024

Lehilahy iray manodidina 40 taona antsoina hoe : Rakotonandrasana Jean Clément

Card image cap
26-avril-2024

Ela ny ela fa tratra tao amin'ny kaominina ambanivohitr’ Ambohijanahary Fokontany Ambatolampy

Card image cap
25-avril-2024

Ahiana hisy rivo-doza hiforona hanakaiky an’i Madagasikara ato ho ato.

Card image cap