Tsy marina velively ireo filazana milaza fa mitaky vola 500 tapitrisa ariary amin’ny Minisitry ny serasera sy ny kolontsaina Gascar Fenosoa i Raissa Razaivola, hoy ny fikambanana FOMF (Fikambanan’ny Olom-pirenena Mijoro amin’ny Fahamarinana) tarihin’io vehivavy malaza naverina any am-ponja io. Nambara fa tsy nisy fitakiana vola, na fanomezana, na fifampiraharahana ara-bola natao tamin’ny anaran’i Raissa Razaivola. Toy izany koa, tsy misy fianakaviany na olona akaiky azy izay nitaky izany vola izany tamin’ny endriny rehetra. Lasa resabe sy misy mandrirotra amin’izay tiany ny afera Raissa. Na izany na tsy izany kosa aza anefa, niteraka resabe ny teny nataona manam-pahefana, toy ny Minisitra Gascar Fenosoa izay sahy niteny sy nikabary ampahibemaso nampiasa ny maha mpitondra tenin’ny governemanta azy hoe : « atsaharo ny fanenjehana azy, raha misy olona nijoro tamin’ny fahamarinana dia iany Raissa izany ». Volana vitsy taty aoriana anefa nosamborina sy naverina any am-ponja ilay olona rehefa tsy nanaiky niverina mora. Iza no niaro sy nanafina ay ? Raha hiverenana, nohelohina 7 taona an-tranomaizina i Raissa Razaivola ny mey 2023 ka anisan’ny vesatra ny hoe fandrahonana olona ho faty, nanonona anarana tompon’andraikitra ambony teo anivon’ny Fitsarana ho nandray vola taminy. Mety niainga tamin’ireny ampamoakany ireny no miteraka fivoizana fa nandoa volabe iany matoa tafavoaka ? Tao anatin’ny taratasy famoahana dia nambara, fa hita ny hamaroan’ny voafonja sy ny faritra famonjana, hita ny ezaky ny voafonja tamin’ny fitondran-tena nandritra ny fotoana nitazonana azy,… Mifamahofaho tanteraka noho izany ity afera ity hoe : iza izany ny tao ambadiky ny famoahana azy ? Inona no tambiny ? Tsy finiavana hitsikera ny Minisitry ny serasera sady mpitondra tenin’ny governemanta fa moa ve tsy lasa nisy endrika fiarovana olon-dratsy ampahibemaso ny fahasahiany nilaza imasom-bahoaka fa olo-marina kanefa izao naverina am-ponja ? Voafandrika ve ny Minisitra ka lasa niaro olon-dratsy ? Inona no nampitsimbadika an’ilay hoe : navoaka avy eo tsy maintsy nosamborina ? Iza no namoaka ary inona no mety ho sazin’izay tao ambadiky ny famoahana ? Na tiana na tsy tiana aloha dia lasa toe-javatra mandoro ny zoron-damban’ny olona ambony sasany io, indrindra fa mbola tazonina hanjavozavo ! Eny mety manaratsy endrika ny fitondrana !
Toky R
Tsy mampandeha amin’ny laoniny ny fanavaozana ny tsy fandriampahalemana»