airtel

Actualités

05-juin-2026

Vonison Andrianjato

«Mila fanjakàna mafy ahazoana firenena matanjaka»

Sample post image

Fantantsika hatramin’izay fa ny

05-juin-2026

mbola tsy voafehin’ny fanjakàna malagasy dia ny fanaraha-maso ireo harenantsika, hoy ny mpanolontsaina manokan’ny filohan’ny fanavaozana, Vonison Andrianjato. Mbola malalaka loatra, hoy izy, ny seranana. Mbola tsy ampy ny lalàna entina mifehy ny fivezivezin’ny harena eto Madagasikara. Mila fanjakàna mafy ahazoana firenena matanjaka no dikan’izany. Ny harena misy eto Madagasikara, amin’ny ankapobeny, dia ampy hampivoarana haingana ny vahoaka malagasy 30 tapitrisa. Ny tsy fananana izay fanjakàna matanjaka izay no miteraka izao fahantrana rehetra izao. Mahavariana ny maheno hoe ny minisitry ny tetibola mihitsy no milaza fa misy trosa ataon’ny vahoaka malagasy izay mitentina 2 miliara Dolara nefa tsy nisy tetibola natokana ho an’izany. Miondam-bola trosaina izany ny fanjakàna malagasy. Efa manakaiky ny tetibolam-panjakàna izay vola notrosaina tsy ampiasaina izay. 3 miliara Dolara ny tetibolam-panjakàna. Mihevitra isika fa rehefa mitombo ny vola am-pelantanan’ny fitondràm-panjakàna dia mandeha ho azy ny fampivoarana an’i Madagasikara. Marina fa efa matoky ny mpamory hetra ny fitondràna ankehitriny satria ny sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny tetibola sy ny tale jeneralin’ny hetra eto Madagasikara, izay matihanina amin’ny famorian-ketra, no omena vahana. Sambany nisy fitondràm-panjakàna manome vahana mpamory hetra eto Madagasikara. Tsy ampy nefa izay fa manjary lasa enta-mavesatra ho an’ny fanjakàna sy ny vahoaka malagasy amin’ny ankapobeny ny fisian’ny harena jerem-potsiny eto Madagasikara. Eo amin’ny 23 miliara Dolara raha ny harinkarena na PIB. 3 miliara Dolara ny tetibolam-panjakàna. Ny vola trosaina tsy ampiasaina, 2 miliara Dolara. Karazan’ny ohatran’ny manamboatra fahantrana izany ny rafitra ankapobeny eto Madagasikara fa tsy mampandroso. Tsy misy adihevitra momba izany nefa ka heverina fa ny fikaonandoham-pirenena izay tokony ho atao fa mbola tsy tanteraka no andrafitra amin’ny ankapobeny izay lafiny izay. Tsy mitovy indray nefa ny hevitra satria ny antoko politika tranainy mihevitra fa fifidianana no tokony andeha aloha. Ny raiamandrenim-piangonana sy ny herivelona mahasahana an’i Madagasikara milaza hoe andao aloha hifampidinika. Ny marimaritra iraisana amin’izay lohahevitra miisa 2 izay no tokony hampivoatra an’i Madagasikara ary hanadinoana tanteraka amin’izay ny atao hoe krizy eto Madagasikara, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

05-juin-2026

HCC raha mikotrika fanongam-panjakana"

Card image cap
05-juin-2026

ny asa no ifampitsarana!"

Card image cap
05-juin-2026

Voalohany Miisa 31 hatreto ireo Malagasy

Card image cap
05-juin-2026

mifototra amin’ny fahitsiana no tanjona

Card image cap
05-juin-2026

kolikoly amin'ny fampianarana

Card image cap
05-juin-2026

Mitaraina ho tsy voaloa tambin-karama ny mpiasa sasany

Card image cap