airtel

Actualités

08-mars-2022

Actualités

Ahiahy kolikoly amina miliaran’ny CNaPS Manomboka mitroatra ny mpandoa latsakemboka

Sample post image

Andro maromaro izay no nisian’ny ampamoaka momba ny ahiahy amin’ny mety ho fisiana kolikoly goavana eo anivon’ny Tahirim-pirenena momba ny fiahiana ara-tsosialy (CNaPS).

08-mars-2022

Fividianana trano lafo dia lafo ho an’ny Air Madagascar mitentina 12 280 443 000 Ar sy 10 971 104 000 Ar ao Analakely ka voalaza fa nampanofaina kanefa tsy mazava ny hofany, mividy tany tsy mazava mitentina 12 500 000 000Ar izay voalaza fa mpikamban’ny Filankevi-pitantanana ihany no tompony ary tsy mazava ny taratasy, volabe 11 miliara Ar voalaza fa nampindramina ny Kaominina Antananarivo Renivohitra. Nilaza i Clémence Raharinirina Mpanolontsaina Monisipaly fa efa nolazain’ny Ben’ny tanàna Naina Andriantsitohaina io findramam-bola io nahafahana nividy ny Easy Park. Misy raharaha hafa fividianana fiara lafo dia lafo tao amin’ny orinasana mpandraharaha mpanefoefo iray, famoaham-bola tsy mazava, famoaham-bola be amina miliara amina fotodrafitrasa kanefa tsy fananganana fa asa fanavaozana fotodrafitrasa,... Voatonontonona ny mpandraharaha malaza iray mpanefoefo eto amin’ny firenena. Ny CNaPS moa no nambaran’ny Filoha Rajoelina ny janoary 2020 fa misy volabe hatrany amin’ny 300 miliara Ar ka ao no hakana ny vola hanaovana ireo “building” tetikasan’ny Fanjakana. Tsy voatery ho marina ireny, saingy tsy mbola nisy hatreto tompon’andraikitra ambony sy ara-panjakana nijoro nanao fandisoana ofisialy na nitondra fanazavana momba io karazana ampamoaka heverina ho dosie goavana io. Ny mpitarika ny sendikan’ny CNaPS antsoina hoe: “Zozo” no nosamborina noho ny fivoahan’ny dosie. Raha tena mitombina itony, dia volabe tsy toko tsy forohana, an-jatony miliara izany no mety ho voahodinkodina.
MILA MITENY NY MANAM-PAHEFANA
Somary nangingina tsy tahaka ireo dosie goavana maro anefa io, kanefa raha ny antso sy fanontaniana voarain’ny eto amin’ny Tia Tanindrazana manokana mikasika ny fahamarinana na fahadisoan’ireny, dia tsy tambo isaina satria volan’ny mpiasa an’aliny no kirakiraina amin’io. “Ahiana ho banky ropitra io raha toa ka tsy misy fepetra raisina, ary fisotroan-dronon’ny olona tokony hositrahana afaka 20 taona no fongana ao”, raha ny fanehoan-kevitry ny Filohan’ny Antenimierandolona teo aloha Rivo Rakotovao. Mety hiteraka fahatezeram-bahoaka satria tena ny fiainany no kitikitihina. Ilaina noho izany ny fitondram-panazavana ofisialy avy amin’ny manam-pahefana mahefa momba io raharaha io raha tsy mitombina mba tsy hampiroharoha ny saim-bahoaka. Somary mahagaga anefa ny fahanginana na fampanginana ny raharaha, ary ahiana ho tafiditra amin’ny fomba hoenti-manodinkodina ny saim-bahoaka ny resabe mandeha ankehitriny toy io resaka valizy misy kodiarana amin’ny resaka fitaterana anabakabaka io. Ho vitavita ho azy foana ve izany ny raharaha dosie goavana eto amin’ny tany sy ny Fanjakana izay misy ny mety ho mitombina sy marina? Natao ho an’ny mpanalatra akoho sy hala-botry hatrany ve ny fonja fa ny mety ho mitsentsitra volam-bahoaka amina miliara migalabona sy miadam-pinaritra mihinana ny alahelon’ny Malagasy ?
Toky R
 

Dans la même rubrique

14-mars-2025

Misy ifandraisany ny firongatry ny tsy fandriampahalemana sy ny fitotongan’ny

Card image cap
14-mars-2025

Manizingizina sy manenjan-tsandry ny Fanjakana, fa eo amin'ny tanim-panjakana no nisy ireo trano

Card image cap
14-mars-2025

Nivory teto Antananarivo omaly 13 martsa ny IPAM na Ivom-Panajariana an’Antananarivo sy ny Manodidina,

Card image cap
14-mars-2025

Efa tena mihatra amin’ny ain’ny mpiasa taorian’ny COVID 19 ny fijaliana,

Card image cap
14-mars-2025

Velon-taraina amin’izao fotoana izao ny ankamaroan’ireo mpamokatra sy mpivarotra

Card image cap
14-mars-2025

Hiditra an-tanety anio Zona 14 Martsa alina na rahampitso Sabotsy 15 Martsa

Card image cap