ahiana ho tratry ny fahatsetseman'ny lakan-drano avy amin'ny tanàna maro ny APIPA (Autorite pour la Protection Contre les Inondations de la Plaine d'Antananarivo). « Opération Fantsika » no iantsoana an’io, izay nanomboka omaly io, ka hotontosaina mandritra ny herinandro maromaro, raha ny serasera nivoaka omaly. Nisy ireo fitaovana voatokana nampiasaina tamin' izany toy ny "pelle mécanique ", fiarabe (camion benne), ka notaterina avy hatrany eny Andralanitra ireo tsikafona sy fako ireo. Teny Andriantany manandrify an'ny Tsaramasay no nanombohana izany ka hitohy any amin'ny faritra mena hafa eny Ampefiloha ny hetsika aorian'izao. Manentana ny mponina rehetra araka izany ny APIPA mba tsy hanary fako anatin'ireny lakan-drano ireny mialohan'ny fandraisana fepetra. Zava-dehibe ny finiavana sy fandraisana andraikitra tahaka izao, saingy ny matetika tsikaritra eto amintsika dia rehefa misy fety toy ny fanamarihana ny 26 jona na hisy vahiny manan-kaja iraisam-pirenena ho avy vao mba mandeha ny fanadiodiovana sy fanatsarana ny tanàna, fanamboarana ny lavadavaka amin’ny lalana, fikarakarana zaridaina manamorona ny arabe, fanadiovana sy fandraofana fako,….
Toky R
Ny injeniera malagasy, Mamitina Rolando Randriamanarivo no nahazo ny loka tamin’ny
Anisan'ireo mpandray anjara ao amin'ny foara iraisam-pirenena eto Madagasikara
Mety hisy ranon’orana anio Zoma 23 May raha araka ny vinavinan’ny Sampana
Zazalahy kely dongadonga no sady salama tsara vao 5 volana monja no fantatra fa