airtel

Actualités

31-oct-2022

Actualités

AKAMASOA Andralanitra 5 lahy nandroba « panneaux solaires »

Sample post image

Lehilahy miisa 5 no voasambotry ny Polisy miasa ao amin’ny Poste Avancé Manantenasoa ao amin’ny Akany Akamasoa Père PEDRO ny Sabotsy 29 Oktobra teo rehefa nangalatra panneaux solaires tao amin’ny Akany.

31-oct-2022

Ny 28 oktobra raha tsiahivina dia tonga nametraka fitoriana tao amin’ny Polisy ireo tompon’andraikitra ao amin’ity akany ity fa very ny "panneaux solaires" nampiasain’izy ireo ny alin'ny 28 hifoha 29 oktobra tao amin'ny EPP Mahatsara ao amin'ny Akany ihany. Tsy niandry ela ireo Polisy tao an-toerana fa avy hatrany dia nanokatra ny fanadihadiana ary nikaroka ireo jiolahy ireo. Nahitam-bokany avy hatrany ny fitadiavana azy ireo noho ny loharanom-baovao maro hananan'ny Polisy sy ny fiaraha-miasa amin'ireo mponina eny an-toerana. Anio Alatsinainy moa no fantatra fa hiakatra fitsarana izy ireo.
Pati
Legende : Ireto izy dimy lahy tratra
 

Dans la même rubrique

23-mai-2025

Ny injeniera malagasy, Mamitina Rolando Randriamanarivo no nahazo ny loka tamin’ny

Card image cap
23-mai-2025

Anisan'ireo mpandray anjara ao amin'ny foara iraisam-pirenena eto Madagasikara

Card image cap
23-mai-2025

an-trano no tokony hataon’ny depiote!»

Card image cap
23-mai-2025

Mety hisy ranon’orana anio Zoma 23 May raha araka ny vinavinan’ny Sampana

Card image cap
23-mai-2025

setrasetra, fikasihan-tanana, ompa…»

Card image cap
23-mai-2025

Zazalahy kely dongadonga no sady salama tsara vao 5 volana monja no fantatra fa

Card image cap