airtel

Actualités

12-oct-2022

Actualités

Akany fitaizana zaza kamboty PAGODE Nisokatra ny taom-pianarana vaovao 2022-2023

Sample post image

Nosokafana tamim-pomba ofisialy omaly teny Antsahasoa Pagode ny taom-pianarana 2022-2023 ho an'ny zanak'ireo miaramila lavo teo am-panatanterahana ny asany.

12-oct-2022

Nanantanteraka izany sady nanome voninahitra ny lanonana ny Minisitry ny Fiarovam-Pirenena, ny Jeneraly Rakotonirina Richard, izay ray mpiahy azy ireo. Notronon'ny Lehiben'ny Etamazaoron'ireo Tafika, ny Jeneraly Sahivelo Lala Monja Delphin, izay filoham-boninahitry ny akany sy ireo tompon'andraikitra ambony eo anivon'ny Minisitera sy ny Etamazaoro. Amin'ny maha ray mpiahy ireo zaza kambotin’ny Tafika ny Minisitry ny Fiarovam-Pirenena dia nanolotra fanampiana amin'ny fanamboarana sy fikojakojana ny akany ny tenany. Nisy ihany koa ny vatsy avy amin'ny Ministeran'ny Mponina. Nitondra ny anjara birikiny ihany koa ny andiany mivantana faha-23 an’ny Akademia Miaramila ho fanampiana ny akany. Tsara ny vokatry ny fanadinam-panjakana CEPE sy BEPC 2022 ho an'ireo ankizy ka nisy ny fanomezana fankasitrahana manokana ho an'ireo izay mendrika indrindra. Am-polony moa ireo zaza kamboty tezaina sy beazina ao amin’izao fotoana izao.
Nangonin’i Pati
Legende : Ireo zanaky ny miaramila kamboty beazina ao amin’ny Akany Pagode .
 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Mivoatra ny raharaha fifanolananan’i Andry Andriatongarivo izay migadra eny amin’ny Fonjaben’Imeritsiatosika sy Rtoa Lalatiana Rakotondrazafy Minisitry ny fampianarana teknika teo aloha,

Card image cap
26-avril-2024

Faritra maro no tapaka tanteraka tao anatin’ny adin’ny telo ka hatramin’ny adin’ny dimy teo ny delestazy,

Card image cap
26-avril-2024

Manao tohivakana indray Manao tohivakana indray tato ho ato ny jiro sy rano tapa-dava eny Itaosy,

Card image cap
26-avril-2024

Lehilahy iray manodidina 40 taona antsoina hoe : Rakotonandrasana Jean Clément

Card image cap
26-avril-2024

Ela ny ela fa tratra tao amin'ny kaominina ambanivohitr’ Ambohijanahary Fokontany Ambatolampy

Card image cap
25-avril-2024

Ahiana hisy rivo-doza hiforona hanakaiky an’i Madagasikara ato ho ato.

Card image cap