airtel

Actualités

26-janv-2026

AKON'NY HOROHORONTANY

Trano 2 no nisy fahasimbana, zaza iray naratra mafy

Sample post image

Nitrangana horohorontany mahery

26-janv-2026

vaika teto amintsika afak'omaly Sabotsy 24 Janoary tokony ho tamin'ny 11 ora sy sasany atoandro. Tao amin'ny faritra Itasy no nisy foiben'ilay horohoron-tany teo. Naharay tatitra mikasika izany ny avy ao amin'ny Zandarimariam-pirenena Borigadin'i Soavinandriana. Trano miisa roa no nahitana fahasimbana. Samy ao Avaratsena, Soavinandriana avokoa.Ny iray trano efa miorina ary misy mipetraka. Nirodana vokatr'izany ny tataon-drihana manarona ny tafo (chaînage en béton). Ny iray kosa trano an-dalam-panamboarana izay nirodana ihany koa ny rafitra biriky sy ny "coffrage" mitondra ny "linteau".Zaza iray no fantatra fa nianjeran'ny trano ankoatra ireo ka tsy maintsy nentina toeram-pitsaboana haingana. Tapaka ny tanany, ary voadona ny lohany. Ny loza moa rehefa ho avy dia tsy mba manambara. Fa amin'ny tranga horohorontany tahaka itony dia ny miala lavitra ny vodirindrina fa mamonjy toerana malalaka no vahaoLana mahomby indrindra. Na koa misitrika ambany latabatra na fandriana.
Pati
 

Dans la même rubrique

07-août-2026

Amperin'asa ny Delegasiona

Card image cap
07-août-2026

amin'ny ady amin'ny kolikoly

Card image cap
07-août-2026

Misokatra ny làlana ho an’i Madagasikara sy Afrika Atsimo

Card image cap
07-août-2026

Hojerena ny fomba hampandehanana azy

Card image cap
06-août-2026

Lafin-javatra iray heverina fa manahirana na

Card image cap