indrindra fa ireo manana fiara. Ankoatra ny lalam-pirenena fahafito dia anisan’ny tena be mpitsangatsangana ny nivoaka ny lalam-pirenena voalohany. Vao maraina vokatr’izany dia efa feno fitohanana ireo lalam-pirenena roa ireo. Toraka izany koa ny fiverenana nody izay vao tamin’ny 11 ora dia efa tsy nifankahitana. Ho an’ireo nisafidy ny lalam-pirenena voalohany ohatra dia teny Ambatomirahavavy dia efa sahirana ireo niakatra teto an-drenivohitra. Nahalany ora 4 na 5 teo ho eo ny fiara iray vao tafavoaka an’Ampitatafika. Nanampy trotraka izany ny tsy fisian’ny taxibe ho an’ireo tsy lasa lavita fa namonjy an’ny Cur Vontovorona….Nanararaotra rahateo ny mpamily sy ny mpanampy azy izay nampiakatra ny saran-dalana hatrany amin’ny 3000 Ar raha tokony ho 1500 Ar, tranga efa niainana nanomboka tamin’ny Sabotsy teo. Ho an’ireo tsy nivoaka lavitra kosa fa nisafidy ny teto an-drenivohitra dia tsy vitsy ireo nitsidika ny valan-java-boahary teny Tsimbazaza. Toraka izany koa ny teny amin’ny zaridainan’Ambohijatovo, ny teny amin’ny By pass, ny teo amin’ny zaridainan’Anosy….
Pati
Ny injeniera malagasy, Mamitina Rolando Randriamanarivo no nahazo ny loka tamin’ny
Anisan'ireo mpandray anjara ao amin'ny foara iraisam-pirenena eto Madagasikara
Mety hisy ranon’orana anio Zoma 23 May raha araka ny vinavinan’ny Sampana
Zazalahy kely dongadonga no sady salama tsara vao 5 volana monja no fantatra fa