Maizina tanteraka ny habakabaka vokatr’izany. Misavoritaka ihany koa ny olon-dehibe sy ny kilonga madinika misambotra valala. Izany rehetra izany zakan’ny mponina ihany fa ny tena mampanahy azy ireo mafy dia ny faharavan’ny fambolena ao amin’ireo faritra roa ireo. Rehefa reraky ny nanidina mantsy izy ireo omaly hariva dia tsy maintsy mitady toerana handriana sy hitoerana ka anisan’izany ny tany misy fambolena rehetra. Nomarihin’ireo mponina moa fa tany amin’ny 5 taona na 7 taona lasa no nisy andiam-balala tahaka izao nandalo farany tany amin’izy ireo. Mangataka amin’ny fanjakana ny mba hijerena akaiky izany araka izany ireo mponina hisorohana ny faharavana mety hitranga. Ho an’ny tany amin’ny faritra Atsimo manokana dia tsiahivina fa vokatry ny tsy fahaloavan’ny tompon’andraikitra ny karaman’ireo mpamono valala sy ny tombontsoa tokony ho azy no tena nampirongatrabe azy ireny ka izao tonga hatrany Fianarantsoa izao.
Nangonin’i Pati
Ny injeniera malagasy, Mamitina Rolando Randriamanarivo no nahazo ny loka tamin’ny
Anisan'ireo mpandray anjara ao amin'ny foara iraisam-pirenena eto Madagasikara
Mety hisy ranon’orana anio Zoma 23 May raha araka ny vinavinan’ny Sampana
Zazalahy kely dongadonga no sady salama tsara vao 5 volana monja no fantatra fa