airtel

Actualités

25-mars-2026

Ambana sy

fiarovana an-dranomasina

Sample post image

Stratejika be ho an'ny Britanika ny COI

25-mars-2026

Mifanesy ireo solontenan'ny firenen-dehibe,mihaona sy mifampidinika amin'ny Sekretera Jeneralin'ny Kaomisionin'ny Ranomasina Indianina na ny COI, Edgard Razafindravahy,atsy amin'ny toeram-piasany ao Nosy Maurice. Vao tsy ela ny iraka no nandraisana ny ambasadaoron’i Soisa Stefano Toscano ny ambasadaoron’i Alemaina Oliver Knoerich. Ny herinandro lasa teo, nihaona tamin'ny COI ny delegasiona britanika notarihin’i Paul Brummell, High Commissioner an’i Royaume-Uni any Maorisy, niaraka tamin'ireo ambasadaoro Britanika 4: Madagasikara, Maldives, Seychelles ary Maorisy, ary koa ireo tompon’andraikitra manokana avy any Londres. Ny resaka fiarovana an-dranomasina no tena nifantohan’ny fifanakalozan-kevitra. Navoitra ny maha sehatra iombonana manan-danja amin’ny fiarovana sy ny fandrindrana ara-piarovana eny an-dranomasina ny COI, izay efa mandrafitra rafitra iombonana miorina amin’ny fifampizarana vaovao, ny fizarana loharano ary ny hetsika iombonana eny an-dranomasina. Ity rafitra ity, tohanan’ny Vondrona Eoropeana amin’ny alalan’ny programa Safe Seas Africa, dia manamafy ny fanaraha-maso sy ny fahaizana mamaly haingana amin’ny ambana. Manamarika ny fitomboan’ny fahalianan’i Londres amin’ny Ranomasimbe Indianina izay sehatra stratejika amin’izao fotoana izao io. Ny lalan-tsambo manan-danja, ny risika amin’ny trafika tsy ara-dalàna sy piraty, ary ny tsindry amin’ny loharanon-tsakafo an-dranomasina dia manery ny COI ho lasa fototra iombonana amin’ny famolavolana setriny hiatrehana ireo fanamby iraisam-pirenena. Efa nametraka manamboninahitra mpifandray ao amin’ny Centre Régional de Coordination des Opérations (CRCO) any Seychelles ary nandray anjara tamin’ny hetsika iombonana eny an-dranomasina i Royaume-Uni. Tsy mahagaga raha nanapa-kevitra i Korea Atsimo ny ho lasa mpiara-miasa mpanara-maso ao amin’ny COI nanomboka tamin’ny taona 2025, ka mipetraka ny fanontaniana hoe: hanaraka izany ve i Royaume-Uni? Ankoatra ny fiarovana, tafiditra ihany koa tao anatin’ny resaka ny fiovaovan'ny toetr'andro iarahan’ny Commonwealth sy ny COI miasa amin’ny fanofanana mpifampiraharaha ara-tontolo iainana avy amin’ireo firenena nosy afrikanina. Ara-jeopolitika, marihina fa manana anjara toerana lehibe aty amin'ny ranomasina Indianina ny Britanika izay mbola voafaritra ho ampahan-taniny ny Nosy Diego Garcia izay ahitana ny sasany amin'ireo fitaovam-piadiana ampiasain'ny Amerikanina hanafihana an'i Iran.
Toky R
 

Dans la même rubrique

17-avril-2026

Nofoanana tamin’ny taona 1973

Card image cap
17-avril-2026

Tsy mampandeha amin’ny laoniny ny fanavaozana ny tsy fandriampahalemana»

Card image cap
17-avril-2026

fifamonoana sy fifanimbàna»

Card image cap
17-avril-2026

ivelany mafy tsy voafehintsika»

Card image cap
17-avril-2026

hanaraha-maso ireo faritra arovana

Card image cap
17-avril-2026

hahazo tombony amin’ny tetikasa D-CLIC

Card image cap