Ao Analabe Ambanja no mivoka ny zava-mahadomelina raha ny fanadihadiana nataon’ny mpitandro ny filaminana. Nisy ny fidinana ifotony namongorana ireo rongony ireo tamin’ny toerana voalaza izay nataon’ny zandary sy ny miaramila ka tany amina hektara no tsy maintsy nodorana avy hatrany izay rakotra rongony. Tsy milaza amin’izay tena tompon’ny tany mamboly ireo zava-mahadomelina ny mponina fa saingy efa maniry sisa no sarona. Misy ny paikady ataon’ireo mpivarotra azy sy ny mpanafatra entana ireo amin’ny fitaterana azy entina amin’ny gony lanjaina ary tsy hampitondraina fiara mhitsy nohon’ny fisavana mety ataon’ireo mpitandro ny filaminana. I Mahajanga izay isany betsaka olona mpanafatra azy io ary mandefa any amin’ny nosy Kaomoro raha ny fanadihadiana natao hatrany . Ankoatra ny distrikan’ Ambanja dia any amin’ny faritra atsimo ihany koa no voalaza fa ahitana olona mamboly rongony raha eto Madagasikara. Fantatra fa ireo mponina manodidina ihany mamboly azy io izay lasa velontena izy ireo. Fehizana amin’ny fonosana iray lehibe ireo rongony ireo mialohan’ny famarotana azy amin’ny mpanfijara. Voafehy ny lalana ny famokarana, famarotana , fividianana ary indrindra ny fifohana ny rongony. Efa maro no naiditra am-ponja vokatry ny fandraisana io zava-mahadomelina io. Betsaka rahateo ny voka-dratsy aterak’izany izay miafara amin’ny maha tsy tompony tenany intsony ny olna mifoka azy.
Tolin
Anisan’ny tena manahirana ny tokantrano maro amin’ny ankapobeny ireo entana ilaina amin’ny fiainana
Nisolo tena an’i Madagasikara tany amin’ny Fihaonana an-tampony ho an’ny fampandrosoana ara-indostria