airtel

Actualités

09-déc-2025

Ambasadaoro

Malagasy any Maroc

Sample post image

Maniry ny hamerenana an'i Johary Rajobson ny Diaspora

09-déc-2025

Fanapahan-kevitra lehibe noraisin'ny Fitondram-panjakana ny 26 novambra teo ny fanalana Ambasadaoro maromaro. Jean Louis Robinson tany Chine, Yvette Sylla tany amin'ny UNESCO, Tehindrazanarivelo Djacoba tany Suisse sy ny ONU, Johary Rajobson tany Maroc. Saika nankasitraka izany ny olom-pirenena noho ny fizorana amin'ny fanovana. Misy ihany koa anefa ny fanamarihana manokana mikasika ny Ambasadaoro tao Maroc Atoa Johary Rajobson nataon'ireo diaspora any an-toerana fa tsara raha haverina eo amin'izany toerana izany hanohy ireo asa efa natombony Atoa Johary Rajobson, izay tena teknisianina sy nanao ny asany tamin'ny fanintsiana sy tena nitondra soa ho an'ireo Malagasy any an-toerana sy fiaraha-miasa eo amin'ny Firenena roa tonta, raha ny antso avo ataon'ireo Malagasy ao Maroc. Tao anatin'ny herintaona monja, nahavita nametraka fiaraha-miasa mahomby, ary na ny Maraokanina aza nankasitraka azy, ny Malagasy afa-po amin'ny ezaka ataony,... hoy ny fampitam-baovao. Nisy ny "coopération décentralisée", "Jumelage" teo amin'ny tanànan'Antsirabe sy ny Ville de Fes any Maroc, nitsangana ny Chambre de commerce Maroc Madagascar, nandray anjara tamin'ny salon international du tourisme ITM taty Madagascar tamin'ny jona 2025 ny Maraokanina. Namolavola sy nampahomby ny fiaraha-miasa ara-toekarena ka nahafana nanao ny "mission économique" izay nahitana ny solontenan'ny Chambre de commerce de Casablanca sy ny Filoha Tale Jeneralin'ny DATA PROTECT tonga taty Madagasikara tamin'ny volana jona teo, iraka mikasika ny tetikasa fampiasam-bola hotanterahina eto Madagasikara. Porofo ireo fa matotra sy mihamafy ny fiaraha-miasa eo amin'i Maroc sy Madagasikara.
SITRAKAY RAHA HAVERINA IZY, HOY IREO DIAPORA
"Herintaona no nahatongavany fa tsapa ny asa mivaingana nataony, indrindra ny fanasoavana ny tanora toy ny fisitrahana "formation" na fanofanana momba ny fandraharahana nandritra ny 6 volana nampanaovina Expert ! Tsy ny tany ihany fa hatraty Madagasikara no nisitraka satria misy partenariat amin'ny oniversite lehibe ao Maroc, misy fiaraha-miasa goavana, bourse doctorale ho an'i Madagasikara", hoy i Dr Rasoatakalosoandro ny 29 novambra teo. Izy izay tanora Malagasy monina any Maroc isan'ny nanatsikafona ny tsy fanjarian'ny Fitondrana Rajoelina ary tsy afaka nody teto, saingy midera sy mankasitraka kosa ny hanohizan'ny Ambasadaoro Johary Rajobson ny asany. Nalahelo sy diso fanantenana tanteraka aho hoe inona loatra no antony? hoy izy. Diso fanantenana ihany koa ireo Malagasy maro hoe nahoana no nesorina ilay ambasadaoro niasa tany sa sanatria noho izy tamin'ny andron-dRajoelina no tonga teo dia tsy maintsy nesorina? Tsy izaho izay nitolona ny hanesorana an-dRajoelina velively anefa hoy ity farany no olona handeha hanakana ny Fitondrana ankehitriny amin'ny fanesorana ny olona notendren-dRajoelina kanefa misy foana ny "exception", ka tsy tokony ho "fanatique" fa "objectif" isika. Nampahatsiahy ny tenin'ny Filoham-panjakana fa raha misy olona ilain'ny Firenena dia tsy tokony ho sakany ny mety ho fiarahana kely tamin'ny teo aloha. "(…) Anisany nomeny lanja ny resaka tanora sy tontolon'ny fampianarana. Nanomboka teo no nifankahalalana sy nifampiresahana. Tsy manisy elanelana izy amin'ny mpiara-miasa, ny tena tsy mitovy laharana aminy dia tena hoe atsoiny mivantana vao misy asa, sy zavatra atao, sady nahagaga no nahasanganehana ahy manokana izany satria tsy mbola nahita Ambasadaoro malagasy nanao toa izany aho aloha hatreto tamin'ny asako. Izy indray no manontany hoe inona no zavatra ilainareo, dia sady manoro ny dingana. Rehefa nanao iraka tany Maroc, nisy ihany koa ny avy amin'ny ministeran'ny tanora tmin'izany dia ny fiarany sy mpamiliny manokana no mitondra anao mivezivezy amin'ny asa ataonao, ny tena indray no menatra. Ny lehibe moa no mandidy manapaka ka tsy hay izay lazaina ankoatra ny firariantsoa ho anao sy ny ankohonanao Atoa Johary Rajobson", hoy Rtoa S. Rajaonarison isan'ireo nifanerasera arak'asa tamin'ity Ambasadaoro ity. Ny Fanjakana anatin'ny Fiadidian'ny fanavaozana anefa no tompon'ny teny farany fa izay aloha no hetahetan'ireo Malagasy mpila ravinahitra any Maroc.
Toky R
 

Dans la même rubrique

17-avril-2026

Nofoanana tamin’ny taona 1973

Card image cap
17-avril-2026

Tsy mampandeha amin’ny laoniny ny fanavaozana ny tsy fandriampahalemana»

Card image cap
17-avril-2026

fifamonoana sy fifanimbàna»

Card image cap
17-avril-2026

ivelany mafy tsy voafehintsika»

Card image cap
17-avril-2026

hanaraha-maso ireo faritra arovana

Card image cap
17-avril-2026

hahazo tombony amin’ny tetikasa D-CLIC

Card image cap