Fanjakana ankehitriny ! Nisesy ny fanesorana ireo ambasadaoro any ivelany, ary andrasana ny mety ho solon’izy ireny. Nisantarana izany ny tatsy Maurice, izay nanesorana ny Jeneraly misotro ronono Albert Camille Vital. Tsara toerana hisolo toerana azy hatreto i Patricia Rasendranirina, raha ny tombatombatombana sy ny anarana manomboka mivoaka. Voalaza fa efa maneho fanohanana feno sy fientanana miaraka aminy ny Malagasy monina any Maorisy, izay miandrandra azy ho mpitarika afaka mampiray sy miaro ny tombontsoan’izy ireo. Ao anatin’ny ezaka fanavaozana ny rafitra diplaomatika, ny Fanjakana dia manam-pikasana hametraka olona manam-pahaizana sy mahay mandrindra fifandraisana amin’ireo toerana manan-danja, ka isan’ny tombony ho an’i Patricia Rasendranirina ny fananany mari-pahaizana ambony amin’ny fifandraisana iraisam-pirenena (Master en relations internationales) sy traikefa mivantana tao amin’ny masoivohontsika tao Maurice, izay heverina fa zava-dehibe amin’ny fitantanana ny fifandraisana ara-diplaomasia amin’ny fomba maoderina sy mahomby, hoy ny fanamarihana. Mandeha ny fanamafisana sy ny fandrisihana azy ho satria ny fahaizany mifandray amin’ny sehatra samihafa, ny fahalalany ny zava-misy eny ifotony, ary ny fahaiza-manaony amin’ny fifampiresahana dia manamafy ny fahafahany mampifandray an’i Madagasikara sy Maorisy amin’ny fomba matotra sy maharitra, hoy hatrany ny fanamarihana. Misy ny loharanom-baovao tsy ofisialy milaza fa an-dalana ny fanendrena ity farany raha tsy misy ny fiovana, ary miomana amin’ny fandraisana an’i Patricia Rasendranirina amin’ny fahatongavany ao amin’ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena Sir Seewoosagur Ramgoolam ny diaspora Malagasy any an-toerana, ho mariky ny fanombohan’ny dingana vaovao eo amin’ny fifandraisana diplaomatika, raha toa ka ho izy tokoa no ho voatendry ho Ambasadaorontsika atsy Maurice.
Toky R