airtel

Actualités

20-janv-2025

AMBATOMAINTY

Ilay mpanofa trano indray no mitonona ho tena tompony ?

Sample post image

Mirongatra ny ady tany sy ny fibodoana fananan’olona eto amintsika.

20-janv-2025

Anisan’ny mitana ny laharana voalohany eny anivon’ny Fitsarana ny antontan-taratasy mifandraika amin’izany. Tsy hanavahana toerana intsony izany fa saika voakasika avokoa na eto an-drenivohitra na any amin’ny faritra. Anisan’ny miaina izany ny tokantrano iray eny Ambatomainty, Boriborintany fahadimy eny. Ilay mpanofa trano mihitsy no mitonona sy mitsangana ho tompon-trano amin’izao, raha araka ny fitarainan’ny Raim-pianakaviana iray tena tompony. Tombanana ho mety manana taratasy izay namboariny araka izany ilay mpanofa trano matoa sahy mijoro manohitra ilay tompon-tranony. Tsy azo lavina ihany koa anefa fa manana taratasy ara-dalana ilay tompon-trano amin’ny maha-tompony azy. Mbola ao anatin’ny fifanolanana tanteraka ny roa tonta vokatr’izany koa andrasana izay mety ho tohiny.
Nangonin’i Pati
Legende : Mahazo vahana ny ady tany sy fibodoana fananan’olona eto amintsika !

 

Dans la même rubrique

15-déc-2025

Nanao ampamoaka sy nanazava ny

Card image cap
15-déc-2025

Nisy ny fihaonana ara-panjakana izay

Card image cap
12-déc-2025

Nitsangana ny vaomiera mpanadihady

Card image cap
12-déc-2025

mbola miantehitra amin’ny frantsay»

Card image cap
12-déc-2025

rehefa tsy ampy solaitra ny maro an'isa"

Card image cap
12-déc-2025

Tandindonin-doza ireo tantsaha

Card image cap