airtel

Actualités

20-janv-2025

AMBATOMAINTY

Ilay mpanofa trano indray no mitonona ho tena tompony ?

Sample post image

Mirongatra ny ady tany sy ny fibodoana fananan’olona eto amintsika.

20-janv-2025

Anisan’ny mitana ny laharana voalohany eny anivon’ny Fitsarana ny antontan-taratasy mifandraika amin’izany. Tsy hanavahana toerana intsony izany fa saika voakasika avokoa na eto an-drenivohitra na any amin’ny faritra. Anisan’ny miaina izany ny tokantrano iray eny Ambatomainty, Boriborintany fahadimy eny. Ilay mpanofa trano mihitsy no mitonona sy mitsangana ho tompon-trano amin’izao, raha araka ny fitarainan’ny Raim-pianakaviana iray tena tompony. Tombanana ho mety manana taratasy izay namboariny araka izany ilay mpanofa trano matoa sahy mijoro manohitra ilay tompon-tranony. Tsy azo lavina ihany koa anefa fa manana taratasy ara-dalana ilay tompon-trano amin’ny maha-tompony azy. Mbola ao anatin’ny fifanolanana tanteraka ny roa tonta vokatr’izany koa andrasana izay mety ho tohiny.
Nangonin’i Pati
Legende : Mahazo vahana ny ady tany sy fibodoana fananan’olona eto amintsika !

 

Dans la même rubrique

25-juin-2025

Niakatra Fitsarana omaly ny raharaha iray anenjehana an’i Fernand Cello,

Card image cap
25-juin-2025

Nifarana omaly tetsy amin’ny Novotel Alarobia ny atrikasa nandinihan’ny teo anivon’ireo

Card image cap
25-juin-2025

Triatra ny fo, hoy ny renim-pianakaviana iray, mahita ireto mpiray tanindrazana mifandimby

Card image cap
25-juin-2025

Niamboho omaly ny Me Lala Ratsirahonana, Mediatioran’ny Repoblika. Mpisolovava,

Card image cap
25-juin-2025

Mafy ny mahazo ireo mpivarotra arendrina vita Malagasy.

Card image cap
25-juin-2025

Ny tsy fananan'asa no anisan'ny fototra miteraka ny tsy fandriampahalemana eto amintsika.

Card image cap