airtel

Actualités

14-juil-2022

Actualités

Ambatondrazaka Lehilahy iray nitsoraka tao ambany kamiao

Sample post image

Lehilahy iray vao 30 taona mahery no fantatra fa nitsoraka tao ambany kamiao tao Ambohimasina an-tampon-tananan’Ambatondrazaka omaly Alarobia 13 Jolay maraina.

14-juil-2022

Raha araka ny fantatra dia tao alohan'ilay kodiarana lehiben’ilay kamiao no nitsoraka Itompokolahy ka maty tsy tra-drano. Efa raim-pianakaviana anefa izy. Raha araka ny fanazavan’ireo nanatri-maso dia nisy traktera nandalo avy amin'ny lalana ambadik’Itompokolahy ka izy avy any amin’ny ilany, tranga voalohany niseho. Nitsoraka teo alohan’ilay izy nandritra izany saingy tafajanona tampoka ilay mpamily ka avotra ihany ny anaolahy. Nanao toy izany koa izy tamin'ny moto iray taorian'ilay traktera saingy nahatazona tsindry hisatra kosa ilay mpamily", hoy ireo ny fanazavan'ireo nanatrika sy nahita ity loza ity. Ilay kamiao, zotra-pitaterana fanintelony araka izany no nahalavo azy, tranga izay nambaran’ireo fianakaviany fa efa nanaloka azy. Nilaza ho nahita aloka mainty mantsy Itompokolahy tao anatin’ny torimasony andro vitsy lasa izay. Efa maty vady moa izy, antony mety nampamoy fo azy nefa misy ihany koa ireo nanombatombana fa mamo Itompokolahy nandritra ity fotoana namonoany tena ity. Nangonin’i Pati
Legende : Namoy ny ainy tahaka izao ilay lehilahy !
 

Dans la même rubrique

21-mai-2025

Sahirana sy mikorapaka amin’ny tetikasa Base Toliara ny Fanjakana Rajoelina,

Card image cap
21-mai-2025

Hatramin’ny taona 2023 dia migadra ao amin’ny fonjan’Antanimora i Lola Rasoamaharo,

Card image cap
21-mai-2025

Miverina mahazo vahana tsikelikely indray ny loto eny Analakely sy ny manodidina,

Card image cap
21-mai-2025

Nahatratra 230 isa ireo alika nirenireny tsy maintsy novonoina tao anatin’ny

Card image cap
20-mai-2025

Maty tao Manga Milahatse, fokontany Antanandava,

Card image cap
20-mai-2025

Ny 30 aprily no nampahafantarina tao anatin’ny filankevitry ny minisitra ny

Card image cap