omaly maraina, raha ny fampitam-baovaon’ny polisim-pirenena ao Ambatondrazaka, tokony ho tamin'ny 10 ora teo. Harona kely nisy lamba ary vola 10.000 Ariary no nampiarahany taminy. Nahita io zaza io nitomany irery ny ramatoa iray izay mipetraka eny Tanambao, mpikarama manasa lamba manodidina an'io toerana io. Nentiny teny amin'ny fokontany ilay zaza ary nomen'ny fokontany taratasy izy. Nentiny taty amin'ny polisy Ambatondrazaka avy eo. Noraisinay ary napetraka vonjimaika any amin'ity ramatoa ity aloha ilay zaza mandra-pahita izay mety ho fianakaviany na koa mandram-piandry izay mety ho fanapahan-kevitra momba azy, hoy hatrany ny avy eo anivon’ny polisim-pirenena. Ny laharan-tariby 0346799856 moa no antsoina raha misy manam-baovao mikasika ny fianakavian’ity zaza ity, hoy izy ireo.
J. Mirija
Nangotraka ny fahatezeram-bahoaka teto Antananarivo ny herinandro lasa teo,
Tsy misy izay tsy mitaraina sy mimenomenona ny amin’ny fanapahan-kevitry ny
Niteraka fahasahiranana tamin’ny mpampiasa vola maro, na ireo mpanjifa io,
Tena mbola ambany ny tahan’ny fanjifan’ny Malagasy ny akoho sy ny akoho eto amintsika.
Tsy ampy 240.000 taonina isan-taona ny vokatra katsaka eto Madagasikara.
Tena nandeha ny tsenan’ny mofomamy ny faran’ny herinandro teo teto