airtel

Actualités

19-févr-2024

AMBODIZOZORO AMPITATAFIKA

Ho tongan’ny mazava ihany

Sample post image

Ela ny ela fa ho afa-pahasahiranana ireo mponina ao

19-févr-2024

amin’ny Fokontany Ambodizozoro, kaominina Ampitatafika, distrikan’Atsimondrano. Raha araka ny vaovao azo mantsy dia hiditra tsy ho ela ao amin’ity Fokontany iray ity ny hazavana amin’ny alalan’ny herinaratra vatsian’ny orinasa JIRAMA. Raha tsiahivina kely dia ity Fokontany iray ity no Fokontany mbola tsy nanana herinaratra mihitsy tao anatin’ny kaominina Ampitatafika. Saika miaina ao anatin’ny fividianana labozia sy ny fampiasana ny jiro solitany isan’andro hatrany ny isan-tokantrano vokatr’izany, antony nitadiavan’ny Ben’ny tanana Rado Ramparaoelina sy ny ekipany hevitra. Notsindrian’ireo mponina noho izany fa zavatra mbola tsy niainan’izy ireo tao anatin’ny 60 taona lasa izao fahazoana herinaratra izao noho izany hiezaka handoa hetra izy ireo, ho tamberin'andraikitra.
Pati
Legende : Ho afaka amin’ny tsy fandriampahalemana amin’izay ny tananan’Ambodizozoro !
 

Dans la même rubrique

15-mai-2024

Mivoatra ny raharaha ady tany ao Amboanara, fokontany Batterie, Kaominina Hell-Ville Nosy Be,

Card image cap
15-mai-2024

Anisan’ireo teboka nitondran’ny eglizy katolika ny fijeriny ny lalàna momba ny famosirana ireo

Card image cap
15-mai-2024

Tanteraka eto ny tena fampiroboroboana ny indostria ety ifotony,

Card image cap
15-mai-2024

Nodimandry teo amin’ny faha-51 taonany androany 14 mey 2024 ny Tale Jeneralin’ny ARAI

Card image cap
15-mai-2024

lela fa tahaka ny tongo-bakivaky ka sady marary no mahamenatra ity zava-manjo an’i Gasikara.

Card image cap
15-mai-2024

Mitombo isa hatrany ireo vehivavy hanaovan’ny vadiny herisetra rehefa manda

Card image cap