airtel

Actualités

24-nov-2022

Actualités

Ambohidrapeto - Itaosy Vehivavy 5 tratra nivaro-tena tamin’iny internet

Sample post image

Vehivavy miisa 5 no indray tratra nivaro-tena tamin’iny internet teny Ambohidrapeto Itaosy. Raha araka ny fantatra dia manofa trano izy ireo ka efitrano telo amin’ny fito no nanaovany izany asa mamoafady tsy fampiseho masoandro

24-nov-2022

izany. Mampiasa karazam-pitaovana izy ireo mandritra izany toy ny filahiana plastika, ny camera, ny solosaina, ny connexion izay fantatra fa hiantohan’ny tompon-trano. 50 dolara isan’olona ny karama azo amin’izany ho an’ny tovovavy mpiasa iray mahafeno ny fepetra. Anisan’ireny ohatra ny fahafahany manome hafinaretana ireo lehilahy tera-tany vahiny amin’ny alalan’ny filalaovany ilay filahiana plastika mba hanaitairana azy ireny, ny fiboridanany manoloana ny solosaina amin’ny karazany maro samihafa…..Tsiahivina moa fa mbola tratra niaraka tamin’izy ireo tao an-tranony avokoa ireo karazam-pitaovana rehetra nampiasainy ireo. Manodidina ny 17 taona ka hatramin’ny 30 taona eo ho eo izy ireo raha ny tombana, tovovavy izay marihina fa tsara tarehy sy manam-bika avokoa ny ankamaroany. Tsy ho an’Ambohidrapeto Itaosy irery ihany fa toerana maro no ahitana tovovavy mivaro-tena amin’ny alalan’ny internet tahaka izao eto amintsika.
Pati
 

Dans la même rubrique

21-mai-2025

Sahirana sy mikorapaka amin’ny tetikasa Base Toliara ny Fanjakana Rajoelina,

Card image cap
21-mai-2025

Hatramin’ny taona 2023 dia migadra ao amin’ny fonjan’Antanimora i Lola Rasoamaharo,

Card image cap
21-mai-2025

Miverina mahazo vahana tsikelikely indray ny loto eny Analakely sy ny manodidina,

Card image cap
21-mai-2025

Nahatratra 230 isa ireo alika nirenireny tsy maintsy novonoina tao anatin’ny

Card image cap
20-mai-2025

Maty tao Manga Milahatse, fokontany Antanandava,

Card image cap
20-mai-2025

Ny 30 aprily no nampahafantarina tao anatin’ny filankevitry ny minisitra ny

Card image cap