ny mpanampy an-trano lehilahy dia efa tena atahorana mafy ihany koa amin’izao ireo lehilahy olom-pantatra eo an-tanana. Zazavavy kely iray vao enin-taona monja no lasibatr’izany tao amin’ny kaominina ambanivohitra Ambohijanaka, distrikan’Atsimondrano ny fiandohan’ny herinandro teo. Lehilahy olom-pantany sy mpifanerasera aminy tao an-tanana ihany no voalaza fa nanao izany. Raha araka ny fitantaran’ity zazavavy kely ity dia nolalaovin’ilay rangahy tamin’ny tanany ny fivaviany ary avy eo nampidiriny tany anatiny tany ny rantsany ka nihiaka nitomany ilay zazavavikely. Ity tranga ity no nanaitra ny manodidina raha lasa nitsoaka kosa ilay lehilahy. Rehefa nentina tany amin’ny dokotera moa ity zaza tsy manan-tsiny ity dia fantatra fa rava tanteraka ny fahadiovany. Ilay lehilahy kosa teo an-daniny nanda mafy ny fiampangana azy. Efa nametraka fitoriana mikasika ity raharaha ity moa ny fianakavian’ity zazavavikely ity.
Nangonin’i Pati
Ny injeniera malagasy, Mamitina Rolando Randriamanarivo no nahazo ny loka tamin’ny
Anisan'ireo mpandray anjara ao amin'ny foara iraisam-pirenena eto Madagasikara
Mety hisy ranon’orana anio Zoma 23 May raha araka ny vinavinan’ny Sampana
Zazalahy kely dongadonga no sady salama tsara vao 5 volana monja no fantatra fa