airtel

Actualités

07-mars-2022

Actualités

Ambohimahasoa Zaza 5 taona, hita faty tao ambany tetezana

Sample post image

Tsy mitsahatra mamono olona ny rano eto amintsika. Vao niandoha ity volana martsa ity dia zaza mianadahy no lasan’ny rano rehefa avy nirava nianatra ary namono ny ainy avokoa.

07-mars-2022

Tamin’ny faran’ny herinandro teo ihany koa dia zazalahy kely iray vao 5 taona monja indray no namoy ny ainy tao amin’ny tetezana Andranomainty Ankerana, distrikan’Ambohimahasoa. Ireo fokonolona nahita ny vatana mangatsiaka no nihazakazaka nanatitra izany teny anivon’ny hopitaly CHRD1 Ambohimahasoa. Na izany aza tsy mbola fantatra mazava izay antony nampianjera io zaza io tao ambanin’ilay tetezana raha samy nilaza ho tsy mahalala avokoa ireo mponina teo amin’ny manodidina. Mbola tsy fantatra moa ary tsy mahalala akory ny nahazo an-janany ny Ray aman-dRenin’ity zaza ity fa mbola vao nifampitadiavana. Notazonin’ireo tompon’andraikitra eo anivon’ny CHRD 1 Ambohimahasoa kosa ny razana. Ilana fitandremana fatratra araka izany ny fitaizana zaza indrindra amin’izao fotoam-pahavaratra mahabetsaka ny rano izao.
Nangonin’i Pati

Legende : Efa tsy nisy fofon’aina intsony ity zazalahy kely ity no hitan’ny fokonolona
 

Dans la même rubrique

21-mai-2025

Sahirana sy mikorapaka amin’ny tetikasa Base Toliara ny Fanjakana Rajoelina,

Card image cap
21-mai-2025

Hatramin’ny taona 2023 dia migadra ao amin’ny fonjan’Antanimora i Lola Rasoamaharo,

Card image cap
21-mai-2025

Miverina mahazo vahana tsikelikely indray ny loto eny Analakely sy ny manodidina,

Card image cap
21-mai-2025

Nahatratra 230 isa ireo alika nirenireny tsy maintsy novonoina tao anatin’ny

Card image cap
20-mai-2025

Maty tao Manga Milahatse, fokontany Antanandava,

Card image cap
20-mai-2025

Ny 30 aprily no nampahafantarina tao anatin’ny filankevitry ny minisitra ny

Card image cap